Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 - FAMANTARANA NY MAHA-ANDRIAMANITRA : Ny famahanana ireo olona dimy arivo

Daty
Alahady 06 October 2024

Tian'i Jaona apostôly homarihina mazava ao amin'ny Jao. 6:4,5 fa akaikin'ny fotoan'ny Paska no namahanana ireo olona tokony ho dimy arivo. Natao hahatsiarovana ny fanafahana ny Isiraely avy tao Egipta ny Paska. Ny zanak'ondrin'ny Paska no maty nisolo toerana ireo lahimatoan'ny Jiosy. Maneho ny nahafatesan'i Jesôsy ho antsika io sorona io. Teo amin'ny hazo fijaliana no nizakan'i Jesôsy ny famaizana mendrika antsika noho ny fahotantsika. Voavono tokoa i Kristy, Paska ho antsika (1 Kôr. 5:7).

"Nizaka ny heloky ny fandikan-dalàna Izy, sy niaritra ny nanafenan'ny Rainy ny tavany taminy, mandra-pahavaky ny fony sy nahafaka ny ainy. Izany sorona rehetra izany no natao dia ny mba hahazoana manavotra ny mpanota." - HM, t. 562.

Vakio ny Jao. 6:1-14. Inona no itovian'i Jesôsy sy i Mosesy eto? Izany hoe, inona no nataon'i Jesôsy teto izay tokony ho nampahatsiahy ny olona ny fanafahana izay noraisin'ny razany tamin'ny alalan’ny asan'i Mosesy?

Tsipiriany maro ao amin'io tantara io no mampitaha an'i Jesôsy amin'i Mosesy araka ny ao amin'ny Eksodosy. Manondro ilay fanafahana lehibe tamin'ny tany Egipta ny fotoan'ny Paska (Jao. 6:4). Niakatra tao an-tendrombohitra i Jesôsy (Jao. 6:3), tahaka an'i Mosesy niakatra tao an-tendrombohitra Sinay. Nizaha toetra an'i Filipo Izy (Jao. 6:5,6), tahaka ny nizahan-toetra ny Isiraelita tany an'efitra. Ny fampitomboana ny mofo (Jao. 6:11) dia mampahatsiahy ny mana. Mampahatsiaro ny nanangonan'ny Isiraelita ny mana ny nanangonana ny sakafo sisa tsy lany (Jao. 6:12). Nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sisan-tsakafo voangona (Jao. 6:13), izay mitovy isa amin'ny foko roa ambin'ny folon'ny Isiraely. Ary ny resaky ny olona nilaza an'i Jesôsy ho mpaminany tonga amin'izao tontolo izao dia mifanindran-dalana amin'ilay "mpaminany tahaka an'i Mosesy" voalaza mialoha ao amin'ny Deo. 18:15. Ireo rehetra ireo dia manondro an'i Jesôsy ho ilay Mosesy vaovao, Izay tonga hanafaka ny olony. Araka izany, tsy i Jesôsy manao famantarana sy fahagagana fotsiny no asehon'i Jaona, fa Izy manao famantarana sy fahagagana izay nisy heviny manokana ho an'ny vahoaka Jiosy, tao anatin'ny tontolon-kevitra nisy azy ireo. Ny tena tian'i Jesôsy naseho tamin'izy ireo dia ny maha-Andriamanitra Azy.

Vakio ny Isa. 53:4-6 sy ny 1 Pet. 2:24. Inona ny fahamarinana lehibe ampianarin'ireo andininy ireo momba an'i Jesôsy amin'ny maha-Zanak'ondrin'Andriamanitra Azy? Ahoana no ifandraisan'ny maha-Andriamanitra Azy amin'io fahamarinana io, ary nahoana no io fahamarinana io no manan-danja indrindra fantatsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal