Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.

Daty
Talata 07 April 2026

Azo inoana fa ny hoe «fitiavana» no teny fampiasan'ny Kristianina indrindra hamaritana ny toetran Andriamanitra. Mety ho lilay fanambarana momba an'Andriamanitra ao amin'ny 1 Jao. 4:8 no antonizany, izay manao hoe: "Andriamanitra dia fitiavana. "Tsy nilaza i Jaona hoe: "Andriamanitra dia be fitiavana" fa hoe: "Andriamanitra dia fitiavana." Ny fitiavana no toetrany, sy maha Izy Azy mihitsy.

Ho an'ny ankamaroan'ny olona, ny sarin'Andriamanitra ao an-tsainy dia avy amin'ny famaritan'ny maha olombelona ny atao hoe fitiavana, izay tsy marina tsara na tanteraka mandrakariva. Iza Andriamanitra ary inona no lazainy momba ny Tenany ao amin'ny Soratra Masina? Avy amin'izany no tokony hamaritantsika ny atao heo fitiavana.

Inona no hazavaina amintsika ao amin'ny 1 Jao. 4:7-19 momba ny fitiavana?

Tonga lafatra ny fitiavan'Andriamanitra, feno fahalalahana, ary mifototra tanteraka amin'ny fifandraisana, araka ny hita amin'ilay fanasana miverimberina mba "hitoetra" ao Aminy ao amin'ny 1 Jaona, satria "isika efa mahalala sy mino ny fitiavan Andriamanitra antsika, Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy."-1 Jao. 4:16. Andriamanitra dia fitiavana, ary namorona antsika araka ny endriny Izy (Gen. 1:27) mba ho tia sy haniry hotiavina isika. Amin'ny teny Hebreo, ny teny fototra iray ilazana ny fitiavana dia ny hoe hesed. Mamaritra ny fitiavan'Andriamanitra ao anatin'ny fanekena nataony tamin'ny olombelona io teny io, izay mahafaoka ireo toetra toy ny hoe mahatoky, miaro, azo antoka, ary mora fanahy.

Ny teny tranainy toy ny Hebreo sy ny Grika dia mampiasa anarana maro samihafa hilazana an'Andriamanitra, anarana izay misy heviny mba hanazavana ireo lafiny samihafa amin'ny toetra tsaran'Andriamanitra. Ireto mísy ohatra roa:

Adonai: Tompon'izao rehetra izao, Izay manjaka mandrakizay, araka ny ao amin'ny fanekena (Gen. 15:2; Mpits. 6:15; Mal. 1:6; Sal. 97:5).

Yahweh-Yireh: Jehôvah no hahita (Gen. 22:13.14).

Ary ny fanehoana faratampony sy lehibe indrindra ny fitiavan Andriamanitra dia tamin'ny alalan'ny fanomezany ny Zanany ho an'ity tany ity (Jao. 3. 16) Izay maty ho an'ny mpanota (Rôm. 5:8). Tsy voatery ho nanao izany ho an'ny olombelona Andriamanitra, nefa noho ny fitiavany feno fahalalahan-tanana, feno fahavononana, ary feno fahafoizan-tena, dia nirahin Andriamanitra ho eto an-tany i Jesôsy mba hahafahantsika misafidy malalaka hy hamaly ny fitiavany, izay naseho tamin'ny nahafatesany teo amin'ny toerantsika. Tsy vitan'ny hoe nanototra ny hantsana nanasaraka antsika tamin'Andriamanitra vokatry ny fahotana i Jesosy (Isa. 59:1,2), fa ny fiainany koa dia nanehoany tamintsika ny toetra tonga lafatr Andriamanitra: ny fitiavana (Jao. 14:9; Heb. 1:3), sy nitaomany ny olona rehetra hanatona Azy (Jao. 12:32),

Maro amin'ireo anaran'Andriamanitra no mampiseho ny fahamasinany sy ny fitiavany ny heviny. Vakio ny 1 Kor. 13:4-8, ka soloy hoe "Andriamanitra" ny teny hoe "fitiavana" ao. Ahoana no anitaran'izany ny fahatakaranao ny toetran'Andriamanitra? Raha ny anaranao no apetrakao ho solon'ny teny hoe "fitiavana", hatraiza no mampitombina izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (10)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal