Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 10 April 2026

Miantso ny olony mba haneho ny toetrany Andriamanitra, nefa mba hanaovana izany. dia mila mahafantatra Azy ho an'ny tenantsika isika. Ity no fomba tsara indrindra hahitana Azy mazava, na mason'olombelona mpanota ihana aza no ananantsika, izay matetika tsy mahatakatra araka ny tokony izy ny sitrapony masina sy tanteraka: ny fandinihana ny Teniny, ny Baiboly.

"Toy ny sakelidrano kely eo anatrehan'ny ranomasimbe tsy hita fetra ihany ny fitiavan'ny raim-planakaviana ny zanany teo amin'ny taranaka nifandimby sy ny fanehoam-pitiavana rehetra avy amin'ny fon'olombelona, raha oharina amin'ny fitiavan'Andriamanitra tsy misy fetra sy tsy mety ritra. Tsy misy lela mahalaza ny fitiavan'Andriamanitra ary tsy misy penina mahatantara izany. Azonao dinihina isan'andro mandritra ny fiainana izany. ary azonao halalinina ny Soratra Masina mba hahatakaranao izany; azonao ampiasaina ireo fahaiza-manao rehetra nomen'Andriamanitra anao, saingy tsy mbola ho takatrao amin'ny fahafenoana ihany ny lavany sy ny sakany ary ny haavo sy ny halalin'ny fitiavan Andriamanitra tamin'ny nanolorany ny Zanany lahy ho faty ho an'izao tontolo izao. Na ny mandrakizay aza tsy ampy hanehoana izany amin'ny fahafenoana. Rehefa mandalina ny Baiboly sy misaintsaina ny amin'ny fiainan'i Kristy ary ny drafi-panavotana anefa isika, dia hitombo hatrany ny fahatakarantsika ireo lohahevi-dehibe ireo." - TFC. b. 5, tt. 740.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Eo am-pandinihanao ireo toetran'Andriamanitra nianaranao tamin'ity herinandro ity, iza amin' ireo no nisy akony indrindra teo amin'ny fahafantaranao an'Andriamanitra?

2. Inona avy ireo toetran'Andriamanitra hafa azonao dinihina mba hahalalina sy hahamafy orina ny fifandraisanao amin'Andriamanitra?

3. Vakio miaraka amin'ny fianakaviana na namana, na henoy ny toko voalohany amin'ny boky Ny Dia ho eo amin'i Kristys, ka ifanakalozy hevitra izany. Inona no hevi-baovao momba ny toetran'Andriamanitra sy i Jesosy nampieritreritra anao tao amin'io toko io?

4. Maro ny olona diso hevitra momba an'Andriamanitra, ary mba hanitsy izany no nahatongavani Jesôsy . Inona no azonao atao mba hanambaranao ny toetran'Andriamanitra amin'ny fomba mazava sy marina aminireo olona manodidina anao?

5. Diniho indray izay nianaranao tao amin'ny fizarana Alatsinainy. Na mazava tokoa aza fa mpanota sy tsy masina isika, ny Baiboly koa dia manao fanambarana mazava momba ny vahoakan'Andriamanitra izay miaina amim-pahamasinana. Vakio ny 1 Pet. 1:13-16, Róm. 6:22, ary ny Heb. 12:14. Masina Andriamanitra ary miantso antsika ho masina koa. Inona anefa no tena hevitr'izany hoe manana fiainana masina izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal