Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - ny fanontanian’i Isaka : "fa aiza kosa izay ondry (…)? "

Daty
Talata 08 April 2025

Ao amin'ilay tantara nilazana voalohany ny amin'ny fitiavana ihany, dia ao amin'ny Gen. 22, no ahitana voalohany koa ny hoe seh (teny hebreo nadika hoe: "ondry" na "zanak'ondry"). Hita mazava fa anisan'ny tandindona resahina matetika indrindra ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy ny "zanak'ondry", izay iantsoana an'i Jesôsy ao mihoatra ny in-20. Mitana anjara toerana lehibe ny Zanak'ondry ao amin'ny iray amin'ireo toe-javatra miezinezina indrindra ao amin'ny Apokalipsy dia ny fahitana nomena an'i Jaona momba ny seza fiandrianan Andriamanitra sy ny manodidina azy ao amin'ny toko faha-4 sy faha-5

Vakio ny Gen. 22:7,8; Eks. 12:3-13; ary ny Apôk . 5:5-10. Manampy antsika hahatakatra ny fampiasana ara-tandindona ny zanak'ondry ny tantaran'i Isaka izay saika natao sorona; amin'ny fomba ahoana? Inona no ifandraisan'io tantara io amin'izay hitan'i Jaona ao amin'ny Apôk. 5?

Amin'ny endrika fanontaniana no isehoan'ny filazana voalohany momba ny seh, dia ny fanontanian'i Isaka hoe: "fa aiza kosa izay ondry (...)?" - Gen. 22:7. Mahaliana fa valiana an-tsipiriany tokoa io fanontaniana io ao amin'ny Baiboly manontolo. Ireo boky 38 hafa ao amin'ny Testamenta Taloha dia mitondra tsikelikely ny mpamaky ho amin'ny valin'ny fanontanian'i Isaka miaraka amin'ny tsipiriany misimisy kokoa, manomboka amin'ireo fombafombam-pivavahana mandritra ny Paska ka hatramin'ny asa voalohany nataon'i Davida (mpiandry ondry), sy ny sisa. Feno faminaniana mikasika ny Mesia ny tantara manontolo, izay manambara mialoha ny valin'ny fanontanian'i Isaka. Avy eo, hita ao amin'ny Testamenta Vaovao ny valin'ilay fanontaniana rehefa niseho i Jesôsy , tonga nofo sy ra, nanao asa fanompoana teo anivon'ny vahoakany, ary farany nanolotra ny ainy teo amin'ny hazo fijaliana.

Jereo koa ny filazana voalohany ny amin'ny zanak'ondry ao amin'ny Filazantsaran'i Jaona, ao amin'ny Jao. 1:29-34. Toa valian'i Jaona Mpanao batisa manokana mihitsy ilay fanontanian'i Isaka, ary mifanentana indrindra amin'izany koa ny tontolon-kevitra ao. Mibebaka ny mpanota, ary atao batisa asitrika anaty rano, izay maneho ara-tandindona ny fahafatesan'ilay mpanota sy ny fiantombohan'ny fiainam-baovao. Ao anatin'io tontolon-kevitra io dia mipoitra i Jesosy Ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra, ao amin'ny Matio, ary nisokatra ny lanitra nanao filazana: "Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako." - Mat. 3:17. Mariho fa nisy feo avy any an-danitra koa, dia anjelin'Andriamanitra, nanolotra vahaolana ho an'i Abrahama sy i Isaka tao amin'ny Gen. 22:11-14.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal