Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.

Daty
Alakamisy 09 July 2026

Miresaka momba ny fahendren'Andriamanitra sy ny fahendren'ny olona, izay samy hafa tanteraka, i Paoly ao amin'ny 1 Kôr. 1:19, 20, 30 ary 31. Mifanohitra izany ka tsy afa-miara-dalana. Mariho fa tsy ny fahendrena amin'ny maha-fahendrena azy no toherin'i Paoly, fa ny karazam-pahendren'olombelona izay miezaka hifaninana amin'Andriamanitra. Tsy mahay manafaka ny olona amin'ny fahotana ny fahendren'olombelona. I Kristy irery ihany, izay fahendren'Andriamanitra, no mahay manao izany. Andeha hojerentsika izao manaraka izao: 

  • "ny teny ny amin'ny hazo fijaliana"  / dia "herinAndriamanitra" "amintsika izay hovonjena" 1 / Kôr. 1:18 
  • "fa amin'izay voantso kosa" / Kristy no "herin'Andriamanitra" / 1 Kôr. 1:24 

    Samy milaza ny 1 Kôr. 1:18 sy ny 1 Kôr. 1:24 fa i Kristy no herin'Andriamanitra, izany hoe: Izy no manana hery sy fahefana hamonjy ny olona amin'ny fahotan'izy ireo. Eny tokoa, "ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino"- 1 Kan 1:21. Ny hoe "amintsika izay hovonjena"- 1 Kôr. 1:18, "izay mino"- 1 Kôr. 1:21, ary "izay voantso"- 1 1 Kôr. 1:24, dia manondro vondrona iray ihany, tsy iza izany fa ireo izay miaina ny fanandraman'ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana. Ny filazantsara dia "herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino."- Rôm. 1:16.

Tsy herin'Andriamanitra fotsiny ihany i Kristy fa fahendren'Andriamanitra koa. Midika izany fa tamin'ny alalany no niatrehan'Andriamanitra sy namahany ny olan'ny fahotana, olana izay tsy hain'ny fahendren'olombelona vahana. Ny fahendren'izao tontolo izao dia tsy hahatonga ny olona hahalala an'Andriamanitra (1 Kôr. 1:21). Mifanohitra amin'izany kosa, i Kristy no mampahahendry antsika ho amin'ny famonjena (2 Tim. 3:15).

Vakio ny 1 Kôr. 1:24-29. Mariho ireo teny ampiasaina ao, toy ny hoe "fahadalana", "malemy", "hery" ary "hendry". Inona ny hevitra tiany hasongadina?

Tsara ny hanamarihana ny teny hoe "adala" (na "fahadalana") sy ny "malemy" (na "fahalemena") rehefa mamaky ny 1 Kôr. 1:24-29. Inona no hevitra tiana hasongadina amin'izany: mety hihevitra ny hafatra momba ny hazo fijaliana ho fahadalana sy fahalemena ny fahendren'ny olona, nefa "ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona."- 1 Kôr. 1:25. Tsy midika izany fa malemy Andriamanitra na koa adala, fa fomba fiteny hoenti-maneho ny herin'Andriamanitra sy ny fahendreny izay mihoatra lavitra noho izay mety ananan'ny olombelona fotsiny izany. Saintsaino bebe kokoa izao teny izao: "fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana" nantsoina (1 Kôr. 1:26). Inona ny hafatra ho antsika eto? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal