Miresaka momba ny fahendren'Andriamanitra sy ny fahendren'ny olona, izay samy hafa tanteraka, i Paoly ao amin'ny 1 Or. 1:19, 20, 30 ary 31. Mifanohitra izany ka tsy afa-miara-dalana. Mariho fa tsy ny fahendrena amin'ny maha-fahendrena azy no toherin'i Paoly, fa ny karazam-pahendren'olombelona izay miezaka hifaninana amin'Andriamanitra. Tsy mahay manafaka ny olona amin'ny fahotana ny fahendren'olombelona. I Kristy irery ihany, izay fahendren'Andriamanitra, no mahay manao izany. Andeha hojerentsika izao manaraka izao:
"nytenynyamin'nyhazo fijaliana" dia "herinAndriamanitra" "amintsika izay hovonjena" 1 Ken*. 1:18 "fa amin'izay voantso kosa" Kristy no "herin'Andriamanitra" 1 Kew. 1:24
Samy milaza ny 1 KOr. 1:18 sy ny 1 Keg. 1:24 fa i Kristy no herin'Andriamanitra, izany hoe: Izy no manana hery sy fahefana hamonjy ny olona amin'ny fahotan'izy ireo. Eny tokoa, "ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino"- 1 Kan 1:21. Ny hoe "amintsika izay hovonjena"- 1 Kor. 1:18, "izay mino"- 1 Kdr. 1:21, ary "izay voantso"- 1 Kew. 1:24, dia manondro vondrona iray ihany, tsy iza izany fa ireo izay miaina ny fanandraman'ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana. Ny filazantsara dia "he rin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino."- Rom. 1:16. Tsy herin'Andriamanitra fotsiny ihany i Kristy fa fahendren'Andriamanitra koa. Midika izany fa tamin'ny alalany no niatrehan'Andriamanitra sy namahany ny olan'ny fahotana, olana izay tsy hain'ny fahendren'olombelona vahana. Ny fahendren'izao tontolo izao dia tsy hahatonga ny olona hahalala an'Andriamanitra (1 Kor. 1:21). Mifanohitra amin'izany kosa, i Kristy no mampahahendry antsika ho amin'ny famonjena (2 Tim. 3:15). Vakio ny 1 Kôr. 1:24-29. Marlho ireo teny ampiasaina ao, toy ny hoe "fahadalana", "malemy", "hery" ary "hendry". Inona ny hevitra tiany hasongadina? Tsara ny hanamarihana ny teny hoe "adala" (na "fahadalana") sy ny "malemy" (na "fahalemena") rehefa mamaky ny 1 KOr. 1:24-29. !no no hevitra tiana hasongadina amin'izany: mety hihevitra ny hafatra momba ny hazo fijaliana ho fahadalana sy fahalemena ny fahendren'ny olona, nefa "ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; at)/ ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona."- 1 Keg. 1:25. Tsy midika izany fa malemy Andriamanitra na koa adala, fa fomba fiteny hoenti-maneho ny herin'Andriamanitra sy ny fahendreny izay mihoatra lavitra noho izay mety ananan'ny olombelona fotsiny izany. Saintsamo bebe kokoa izao teny izao: "fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana" nantsoina (1 Kat 1:26). Inona ny hafatra ho antsika eto?
Daty
Alakamisy 09 July 2026