Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3 : ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 17 January 2025

Vakio ny IFM, toko 73: "Aza malahelo ny fonareo".

"Diso fanantenana ny Tompo rehefa ambany fihevitra ny tenany ny vahoakany. Tiany raha manombana ny tenany araka ny vidiny nataony taminy taminy ireo lova o lova nofidiny Irin' Andriamanitra izy ireo, raha tsy izany dia fsy nalefany ny Zanany hanao iraka nandany be toy izany hanavotana azy ireo. Manana ny hampiasany azy Izy, koa mahafaly Azy ny hanaovan'izy ireo fangatahana ambony indrindra Aminy, mba hanomezany voninahitra ny anarany. Mahazo manantena zava-dehibe izy raha mino ny teny fikasany.

"Midika zavatra betsaka anefa izany mivavaka amin'ny anaran'i Kristy izany. Midika izany fa tokony hanaiky ny toetra amam-panahiny isika, haneho ny toe-tsainy, ary hanatanteraka ny asany. Misy fepetra ny fanatanterahana ny teny fikasan'ny Mpamonjy 'Raha tia Ahy hianareo, hoy Izy, dia hitandrina ny didiko'. Tsy mamonjy ny olona ao amin'ny fahotana Izy, fa ho afaka amin'ny fahotana; ary izay tia Azy dia fitiavany amin'ny alalan'ny fankatoavana. hampiseho ny

"Avy amin'ny fo ny tena fankatoavana marina rehetra. Asan'ny fo miaraka amin'i Kristy dra amin'ny tenany ny eritreritsika izany. Ary raha manaiky isika, dia hataony mitovy indrindra amin'ny sy ny zava-kendrentsika, ny fontsika sy ny saintsika hampitoviany indrindra amin'ny sitrapony, hany ka rehefa mankato Azy isika dia tsy manao afa-tsy ny manatanteraka ny fironana ao amintsika ihany. Ny sitrapo voadío sy nohamasinina, dia hahita ny fifaliany ambony indrindra eo amin'ny fanaovana fanompoana Azy. Rehefa mahafantatra an'Andriamanitra, satria tombontsoa ho antsika ny mahafantatra Ázy, dia hanjary fiainam- pankatoavana mitohy ny fiainantsika. Ny fankafizana ny toetra amam-panahin'i Kristy. ny firaisana amin'Andriamanitra, dia hahatonga ny fahotana ho maharikoriko antsika." -IFM, tt. 556,557, ed. 2023.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ahoana izany "mandray tsy amim-pitiavan-tena" izany? Araka ny hevitrao, ho toy ny ahoana ny fifandraisan'ny mpanome sy ny mpandray any amin'ilay lanitra sy tany vaovao?

2. Nantsoin'ireo mpitondra hafatra avy lavitraavy any amin'ny toerana tsy taka-maso indrindra na dia ampiasana ny fara-fahiratan'ny masolavitr'i James Webb aza - hoe "Chamudot" i Daniela mpaminar mpaminany, izany hoe: "malala, tiana, sarobidy". Intelo no niantsoana azy toy izany. Hoy i Gabriela ao amin'ny Dan. 9:23: ki chamudot attah, "satria malala indrindra hianao." Niantso an'i Daniela hoe: ish chamudot ny anjely iray (angamba i Gabriel ihany) ao amin'ny Dan. 10:11, "Ry Daniela malala ô", ary naverina taminy koa taty aoriana hoe: "ry ilay malala indrindra" Dan. 10:19. Hevero ny ambaran izany momba an'Andriamanitra sy ny fanakekezany antsika. Inona ny fanantenana azonao raisina manokana avy amin'izany fahamarinana mahagaga izany?

3. Inona no ifandraisan'ny oha-piainan'ireo olo-malazan'ny finoana ao amin'ny Heb. 11amin'izay voalazan'ny lesona amin'ity herinandro ity? Izany hoe, inona no ambaran'ireo ohatra ireo mikasika ny fomba ahazoana sitraka amin'Andriamanitra? Inona ny lesona azonao raisina sy ampiharina avy amin'ireo ohatra maneho finoana sy fahatokiana ireo eo amin'ny fiainanao andavanandro?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (26)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal