Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3 : ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA - Tanjona mendrika.

Daty
Alakamisy 16 January 2025

Noho ny halehiben'ny famindrampony sy ny fanelanelanana ataony dia mahita fifaliana Andriamanitra na dia amin'ny fihetsika tsara bitika indrindra asetrintsika ny fitiavany aza. Azo isaina ho marina sy ho isan'ny malalan’Andriamanitra, izay honina miaraka Aminy mandrakizay ao amin'ny fitiavana tanteraka, ny tsirairay avy amintsika, amin'ny alalan'llay hany mendrika ny hotiavina sy tanteraka amin'ny fahamarinana. lo no fanantenana lehibe hahazoana fanavotana, ny asa ataon'i Kristy ho antsika any an-danitra.

Mety hametra-panontaniana anefa ianao hoe: mety ho isan'izany ve na izaho aza? Ahoana raha tsy ampy ny fahatsarako? Ahoana raha manahy ny amin'ny tsy fahampian'ny finoako aho?

Vakio ny Mar. 9:17-29. Inona no navalin'Andriamanitra ilay lehilahy ao amin'ny tantara? Finoana toy ny ahoana no ampy?

Tsy nahay namoaka ilay demonia ny mpianatra; toa very ny fanantenana rehetra. Kanjo tonga i Jesôsy nilaza tamin'ilay raim-pianakaviana hoe: "Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino."- Mar. 9:23. Dia an-dranomaso no namalian'ilay rain-drazazalahy hoe: "Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako." - Mar. 9:24.

Mariho fa tsy nilaza i Jesôsy hoe: "Miverena atý amiko rehefa manam-pinoana bebe kokoa ianao." Fa ny antsoantson'ilay raim-pianakaviana kosa, izay nanao hoe: "vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako", dia ampy.

Tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin'Andriamanitra raha tsy amin'ny finoana (Heb. 11:6), kanefa eken'i Jesôsy na dia ny finoana kely indrindra aza, ary amin'ny alalan'io finoana io (sy ny fanelanelanana ataon'i Kristy), dia afaka mahazo sitraka amin'Andriamanitra isika. Afaka manao fihetsika ankasitrahan'Andriamanitra isika amin'ny alalan'ny finoana sy ny asa ataon'i Kristy ho antsika, dia tahaka ny raim-pianakaviana faly rehefa mitondra fanomezana ho azy ny zanany na dia tsy misy vidiny aza izany.

Tokony hanaraka ny torohevitr'i Paoly isika araka izany, ka ho tanjontsika ny ho tian’Andriamanitra sy ankasitrahany (2 Kôr. 5:9,10; ampitahao amin'ny Kôl. 1:10; 1 Tes. 4:1; Heb. 11:5). Ary tokony hangataka amin'Andriamanitra isika mba hanova ny fisainantsika hihevitra izay mahasoa indrindra ireo olon-tiantsika, sy hanam-pitiavana ho an'ny hafa koa. "Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra. Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo. Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. Miantrà ny olona marina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny," Rôm. 12:10-13.

Raha mandray antsika amin'ny alalan'ı Kristy Andriamanitra, tsy mainka ve tokony handray ny hafa isika? Mibaiko antsika ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika ny didy (Lev. 19:18; Mat. 22:39), ary ny lalàna volamena dia mandidy antsika hitondra ny hafa amin'ny fomba izay tiantsika hitondrana ny tenantsika koa. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra ny hevitra ambara eto?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal