Avonavona, rehefa mientreritra io teny io ianao, dia mety hahita sary an-tsaina mpanao politika mirehareha, olona manan-karena na fanta-daza iray, na koa ny vorombola. Ny avonavona dia fihetsehampo izay mahatonga ny olona iray hino fa manan-danja na tsara kokoa noho ny hafa ny tenany. Eny tokoa, fihetsehampo izay tsy azo ianteherana ary tsy tokony hianteherana ny avonavona.
Tao amin'i Losifera, ilay kerobima manaloka, no niandohan'ny avonavona, izy izay nanao fanompoana teo anatrehan'Andriamanitra. Tsy fantatsika ny fotoana na ny fomba nahatonga ireo eritreritra feno fitiavan-tena ireo tao am-pony; fantatsika kosa anefa fa ireo eritreritra ireo no niteraka ny ady izay fantatsika amin'ny hoe "fifanandrinana lehibe ho eto amin'izao rehetra izao. Hitantsika fa fahavalon'Andriamanitra i Satana (ampitahao amin'ny Isa. 14:12-14 ny Fil. 2:5-11). Vokatr'izany, dia mitolona amin ireo vokatry ny fahotana ny tontolontsika hatramin'ny fotoana nambolen'i Satana fisalasalana tao an-tsain'i Adama sy i Eva ary avy eo nakany fanahy azy ireo ho tia sy hatoky ny tenany mihoatra an'Andriamanitra.
Vakio ny 1 Jao. 2:15-17. Inona avy ireo teboka manan-danja telo ampianarin'ireo toko sy andininy ireo anao mikasika ny avonavona sy ny fitiavana an'izao tontolo izao?
Mety ho tsara ve ny rehareha? Angamba tsy araka ny tontolon-kevitra hahafantarantsika azy, na dia mety mampiasa izany teny izany amin'ny fomba miabo aza isika, rehefa miresaka momba ny zava-bitan'ny olona iray na rehefa mankasitraka ny zavatra nataon'ny olona iray ("Tena mirehareha noho ny aminao mihitsy aho!"). Zava-dehibe ny fahatakarana fa tsy voatery ho avonavona tsy akory ny fikendrena hanatratra izay tsara indrindra ary ny fankasitrahana sy ny fankamamiana ireo fanomezana sy fahaiza-manao nomen Andriamanitra anao. Voalazan'ny Soratra Masina fa misy karazam-panehoana fitiavana amin'ny tena izay heverina fa mety (eritrereto ohatra ny baiko nomen'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 12:31, izay andidiany antsika ho tia ny namana tahaka ny tenantsika), saingy fitiavana tsy mifototra amin'ny "izaho" izany. Tsy miavonavona ny olona rehefa manana an Andriamanitra eo amin'ny fiainany ary koa mikendry tanjona tsara iray (jereo ny 1 Tim. 3:1). Miavonavona kosa ny olona rehefa tsy mariome voninahitra an'Andriamanitra amin'ızay ataony eo amin'ny fiainany.
Aoka isika hitandrina mafy mba tsy hanadino fa ny harentsika sy ny fahaiza-manao ananantsika ary ny zava-bitantsika dia tsy mamaritra ny tombambidintsika. Tsy izany. fa tokony hiorina ao amin'Andriamanitra mandrakariva ny tombambidintsika, satria izay rehetra ananantsika, eny fa na izay mety maka fanahy antsika hiavonavona aza, dia avy Aminy avokoa. Aoka tsy hohadinointsika na oviana na oviana izany.
Anontanio ny tenanao hoe: Moa ve aho miavonavona, ary hatraiza izany avonavoko izany? Ahoana no mety ho fiantraikan'ny avonavoko eo amin'ny fifandraisako amin'Andriamanitra sy amin'ny hafa?