Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.

Daty
Alarobia 15 April 2026

Alao sary an-tsaina hoe mpianatr'i Jesôsy ianao. Miara-mandeha Aminy, miara-misakafo Aminy, matory eo akaikiny, ary mianatra Aminy raha manova fiainan'olona maro Izy, ary anisan'izany ny fiainanao. Mifanizina manodidina Azy ny olona, ary mahatsapa tena ho manokana ianao satria nofidiny ho anankiray amin'ireo roa ambin'ny folo akaiky Azy indrindra. Rehefa izay dia manomboka manontany tena ianao hoe, iza àry no lehibe indrindra amin'ny mpianatra rehetra?

Hita ao amin'ny Lio. 22:24-27 ny valintenin'i Jesôsy manoloana ny adihevitry ny mpianatra mikasika ny fahalehibeazana sy ny fahamboniana. Inona no Ivon'ny hafatr'i Jesôsy eto?

Mety hihevitra isika fa taorian'ny fotoana lava niarahan'izy ireo akaiky tamin'i Jesosy, dia ny karazana adihevitra toy izany no tsy ho tonga ao an-tsainy indrindra. Tsy izany anefa no nitranga.

Tsy afa-po tamin'ny fiantsoana azy ireto lehilahy ireto fa nitsiry tao am-pony ny avonavona ka nahatonga ny tsirairay tamin'izy ireo hihevitra ny tenany ho tsara kokoa noho ny hafa. Mora tokoa ny mamela ny eritreritra toy izany hibahana ao an-tsaintsika. Kanefa isika dia ilazana fa "tsy misy zavatra mampalahelo an Andriamanitra sy mampidi-doza ny fanahin'ny olombelona tahaka ny avonavona sy ny fiheveran-tena ho ampy. Eo amin'ny fahotana rehetra dia io no tsy misy fanantenana indrindra sy tsy azo sitranina indrindra." - HF, t. 150 (ed. 2004).

Tena zava-dehibe tokoa izany ho antsika. Manafintohina an'Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ny avonavontsika, ary toetra iray izay sarotra resena izany satria matetika no tsy hitantsika araka izay tena endriny marina. Ao amin'ny fahatsapantsika ho mety, dia mifidy ny tsy handini-tena isika, noho ny avonavona izay manjaka. Ilaintsika ny miato mba handini-tena ary hangataka ny hanokafan Andriamanitra ny masontsika mba hahitantsika ny tena toetsika marina, ny avonavona mantsy no mety ho antony voalohany manakana antsika tsy hanana fifandraisana ety amin'Andriamanitra amin'izao fotoana izao.

Raha tsapanao fa Andriamanitra irery no afaka hanaisotra ny avonavona sy ny fitiavan-tena ao am-ponao, miatoa ary tonòny izao vavaka izao ankehitriny: "Tompo o, raiso ny foko; fa tsy afaka manolotra azy ho Anao aho. Fanananao izy, tehirizo ho madio, fa tsy haiko ny manao izany. Vonjeo aho na dia tsy mendrika aza, vonjeo amin'ity tenako malemy, tsy manam-pitoviana amin'ny endrikao. Volavolao aho, amboary aho , akaro ho ao amin'ny rivo-piainana madio sy masina aho, dia ao amin'ny rivo-pitiavanao sarobidy hikoriana ao amin'ny fanahiko." - HF, t. 156, np (ed. 2004).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal