Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 12 July 2025

SABATA HARIVA 12 Jolay 
Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 5:1-23; Apôk. 11:8; Eks. 6:1-13; Sal. 73:23-26; 2 Mr. 6:16; Eks. 6:28--7:7. 

Tsianjery: "Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka niteny taminy hoe: lzao no lazain'i Jehôvah , Andriamanitry ny lsiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra. Fa hoy Farao: Iza moa Jehôvah , no hekeko teny handefasako ny lsiraely? Tsy fantatro izay Jehôvah , ka tsy halefako ny lsiraely." - Eks. 5:1,2 

FAMPIDIRANA 

Maro ny mpino mihevitra fa tsy hiaina afa-tsy fifaliana sy firoboroboana ary fahombiazana ny olona iray rehefa manapa-kevitra ny hanara-dia an'Andriamanitra. Tsy izany mandrakariva anefa no miseho, araka izay asehon'ny Baiboly matetika. Misy indraindray ny sakana sy ny zava-tsarotra vaovao izay miseho. Mety handiso fanantenana tokoa izany, ary miteraka fanontaniana izay tsy ahazoam-batiny mora foana mandrakariva, na mety tsy ahazoam-baliny mihitsy aza.

Hiatrika fizahan-toetra maro ireo izay mitoky amin'Andriamanitra. Kanefa raha maharitra isika, dia hitondra vahaolana amin'ny fotoany sy araka ny fombany Andriamanitra. Mety hifanohitra amin'ny vahaolana haingana sy eo no ho eo izay andrandraintsika no entiny, nefa tsy maintsy mianatra mitoky Aminy isika eo anatrehan'izany.

Araka izany, dia tahaka izao ny lohahevitra hodinihina mandritra ity herinandro ity: i Mosesy sy ny baiko ny amin'ny hitarihany ny vahoakan'Andriannanitra hivoaka an'i Egypta - antson'Andriamanitra izay nataony mazava araka izay azo natao izany. Nisy fahagagana tao anatin'izany, ary tao koa ny fitenenan'Andriamanitra nivantana tamin'i Mosesy sy ny fampahafantarany ny zavatra tiany hataon'i Mosesy.

Nanao ahoana ny fahitan'i Mosesy izany, nanamora kokoa ny toe-javatra ye ny fahafantarany fa nantsoin'Andriamanitra izy ary nomena asa manokana koa mba hataony? Tokony ho mora izany, sa tsy izany? Andeha hotohizana ny tantara. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal