Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Iza moa Jehôvah?

Daty
Alahady 13 July 2025

IZA MOA JEHÔVAH ?

Araka ny baikon'i Jehôvah , dia nankany amin'i Farao i Mosesy, ho fanombohana ny asa nampiandraiketina azy, dia ny "hitondra ny Zanak'lsiraely oloko hivoaka avy any Egypta." - Eks. 3:10.

Inona no navalin'i Farao ny fitakian'Andriamanitra hoe: "Alefaso ny oloko" aereo ny Eks. 5:1,2), ary inona ny valinteniny?"

 Iza moa Jehôvah ?" hoy i Farao, tsy noho ny faniriana te hahafantatra an'Andriamanitra izany fanontaniana izany fa fihaikana na koa fandavana io Andriamanitra io mihitsy aza, izay ambarany fa tsy fantany. "Tsy fantatro izay Jehôvah " hoy fly filazany toa feno fireharehana.

Olona firifiry teo amin’ny tantara moa no efa nanonona teny tahaka izany? Mampalahelo tokoa izany, satria i Jesôsy mihitsy no nanambara hoe: "Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesôsy Kristy, izay efa nirahinao." - Jao. 17:3.

Tandindon'ny fahefana iray izay manda ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny Fahefany i Egypta izay nanana ny Farao ho mpanjakany. Fanjakana nanohitra an'Andriamanitra sy ny Teniny ary ny vahoakany izany.

Mampiseho babe kokoa izany fikomiana amin'ilay Andriamanitra velona izany ny fanambarana manaraka nataon'i Farao hoe: "tsy halefako ny lsiraely." Mahatonga an'i Egypta ho tandindon'ny fandavana an'Andriamanitra no sady rafitra iray miady Aminy izany.

Tsy mahagaga ny hamaroan'ny olona nanana io toe-tsaina io an'arivo taona aty aoriana, nandritra ny Revôlisiona frantsay (jereo koa ny Isa. 30:1-3 sy ny Apôk. 11:8). Nihevitra ny tenany ho andriamanitra na zanaky ny andriamanitra anankiray i Farao - manondro ankapobeny ny fitokian'ny olona amin'ny heriny lehibe sy ny tanjany ary ny fahaizany izany.

 "Tamin'ireo firenena rehetra nasehon'ny tantara voarakitry ny Baiboly, dia i Egypta no sahy nanda ny fisian'Andriamanitra velona sy nanohitra ny baikony. Tsy nisy mihitsy mpanjaka sahy nikomy nivantana sy nanangan-tsandry hanohitra ny fahefan'ny lanitra tahaka ny nataon'ny mpanjakan'i Egypta. Rehefa nentin'i Mosesy teo aminy tamin'ny anaran'i Jehovah ny hafatra, dia novalian'i Farao tamin'avona hoe: 'iza moa Jehôvah , no hekeko teny handefasako ny lsiraely? Tsy fantatro izay Jehôvah , ka tsy halefako ny lsiraely.' - Eks. 5:2. Tsy finoana ny fisian'Andriamanitra izany, ary ny firenena izay asehon'i Egypta dia hamoaka feo mitoky amin'ny fandavana ny fitakian'llay Andriamanitra velona ka hampiseho toe-tsaina tsy mino sady mihantsy toy izany." - HM, t. 279.

lnona no havalinao raha misy olona manontany anao hoe: "fantatrao ve Jehôvah ?" Raha eny no havalinao, inona no holazainao momba Azy, ary inona no anton'izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal