Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA -" Izaho no Jehôvah".

Daty
Talata 15 July 2025

"IZAHO NO JEHOVAН"

Nahonena tokoa i Mosesy! Niteny mafy azy i Farao, ary izao dia ny olony indray no manozona azy.

Nitaraina tamin'Andriamanitra izy noho izany. Izao no fanontaniana napetrany tao anatin'ny fangidiana sy ny fahadisoam-panantenany noho ny toe-javatra niainan'ny Isiraely izay niharatsy: "Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin'ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao? Fa hatrizay nankanesako tao amin'i Farao mba hiteny amin'ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin'ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao." - Eks. 5:22,23. Mazava loatra fa tsy faly tamin'Andriamanitra i Mosesy, ary rehefa jerena ny toe-javatra, dia tsy sarotra ny mahatakatra ny antonizany.

Mahery vaika anefa ny valintenin'Andriamanitra. Hiditra an-tsehatra tokoa Izy, ary hanao izany amin'ny fomba hentitra. "Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin'i Farao." - Eks. 6:1.

Vakio ny Eks. 5:22--6:8. Inona no navalin'Andriamanitra an'i Mosesy, ary inona ny fahamarinana ara-teolojia manan-danja ambara eto?

Tsy niteny fotsiny intsony Andriamanitra fa hiditra an-tsehatra amin'ny fomba mahery vaika ho an'ny vahoakany. Nampahatsiahy teboka manan-danja vitsivitsy an'i Mosesy Izy: (1) Izaho no Jehovah; (2) Izaho no niseho tamin'ireo patriarka; (3) Nanorina ny fanekeko tamin'izy ireo Aho; (4) Nampanantena Aho fa hanome azy ireo ny tany Kanana; (5) Efa reko ny fitarainan'ny zanak'Isiraely; ary (6) tsaroako ny fanekena nataoko, ny hanome anareo ny Tany Nampanantenaina.

Mariho ny fiverimberenan'ny tenin'Andriamanitra hoe: "Izaho". Izaho no Jehôvah Andriamanitrareo, Izaho no nanao izao sy izao, ka mahazo matoky ianareo fa hataoko izay efa nampanantenaiko ho anareo.

Amin'ny fomba manetriketrika izao no anambaran'i Jehôvah fa hanao zavatra efatra ho an'ny Isiraely Izy noho ny maha-Andriamanitra velona Azy: (1) "hitondra anareo hivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho;" (2) "hanafaka anareo amin'ny fanompoana azy," (3) "sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo;" ary (4) "halaiko ho Ahy y hianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho." Eks. 6:6,7.

Ireo asa efatra ataon'Andriamanitra ireo no miantoka sy mampitoetra indray ny Fifandraisany amin'ny vahoakany. Andriamanitra no Mpanao ireo asa rehetra ireo, ary ny Isiraelita no mpandray ny tombontsoa rehetra sy ny fahasoavana. Atolotr'Andriamanitra maimaimpoana sy amim-pitiavana ireo fanomezana ireo. Nanao izany ho azy ireo Izy tamin'izany andro izany, ary mbola manao izany ho antsika amin'izao andro izao koa.

Iza avy koa ireo olona hafa ao amin'ny Baiboly izay nitaraina tamin' Andriamanitra ary nanana antony mazava nanaovana izany? Nahoana no tsy mampaninona ny mamboraka ny ao am-pontsika amin'Andriamanitra, ary koa ny mitaraina noho ny toe-java-misy, amin'ny fotoana sasany? Na Izany aza, nahoana no tsy maintsy amim-pinoana sy amin-toky no anaovanao Izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal