Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 16 January 2026

Toa nikarantsana tao an-tsofiny, avy teo amin'ny toerana fanapahan-doha, syavy taoan-tranomaizina, avy teo amin'ny kodiarana fampijaliana, avy tany an-dava-tany sy avy tany an-dava-bato, ny antsom-pandreseniny maritiora. Reny ny Kristianina manambara amim-pahamendrehana sy amin-kasahiana ny finoany na dia nampijaliana sy nampahorina, sy nafoy aza, ka sahy nilaza hoe: 'Fantatro Izay inoako'. lreny maritiora ireny, izay namoy ny ainy, dia manambara eo anatrehan'izao tontolo izao fa afaka hamonjy azy ny Tompo izay nametrahany ny fitokisany"— VM, t. 450.

"Tsy mbola nisy fisaratsarahana lehibe toy ny amin'izao andro ankehitriny izao teo amin'ny fivavahana kristianina. Tany am-boalohany aza dia nilaina ireo fanomezam-pahasoavana [ny apostoly, ny mpaminany, ny evanjelisitra, ny pasitora, ary ny mpampianatra (Efes. 4:11-13)] mba hitehirizana ny fiangonana ao anatin'ny firaisana, mainka fa ankehitriny, izay tena ilantsika ny famerenana amin'ny laoniny ny firaisana! Ary ny firaisan'ny fiangonana amin'ny andro farany no zava-kendren'Andriamanitra, izay hita mazava ao amin'ny faminaniana. Omena toky isika fa hahita mazava tsara ny mason'ny mpitily, rehefa mampody izay nonina tao Ziona i Jehôvah (Isa. 52:8). Ary koa, amin'ny andro farany, ny hendry no hahafantatra (Dan. 12:10). Rehefa tanteraka izany, dia ho tonga amin'ny firaisan'ny finoana ireo rehetra isain'Andriamanitra ho hendry; satria ireo izay rnahafantatra sy mahatakatra marina dia tsy maintsy hitovy ny fahatakarany. (...) Raha mandinika tsara isika dia miharihary fa mbola ho avy izany toetry ny fiangonana tonga lafatra voambara mialoha izany; noho izany, ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia tsy mbola nahatratra ny tanjony." R.F. Cottrell, "Introduction," ao amin'ny Early Writings, t. 140.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra 
1. Araka ny voalazarfi R.F. Cottrell etsy ambony, inona no ilaina mba hiasan'ny Fanahy Masina hahatonga firaisana eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra ankehitriny? Nahoana no zava-dehibe ny fampiharana ireo torohevitra avy amin'ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana, mba hisian'ny firaisan.ny fiangonana?

2. Ahoana no hanazavanao ny fampianaran'ny Baiboly momba ny fahafatesaria amin'ny namanao iray izay mino fa efa "miaraka amin'i Kristy" any an-danitra ankehitriny i Paoly sy ireo Kristianina hafa efa maty?

3. Ahoana no tokony ho fahatakarantsika ny maha zava-misy mahatsiravina ny fijaliana eto amin'izao tontolo izao? Nahoana no `manampy antsika hahatakatra izany rehetra izany ny lohahevitra momba ny fifanandrinana lehibe? Nahoana anefa, amin'ny farany, no tsy maintsy mifantoka amin'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana isika, izay fanehoana feno indrindra ny fitiavan'ny Ray, ary tsy maintsy mianatra ny matoky Azy na dia amin'ny fotoana sarotra indrindra aza? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal