Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: NY AO AMBADIKY NY TANTARA - Lohahevitra miverina indray momba ny finoana sy ny tsy finoana

Daty
Alarobia 16 October 2024

Vakio ny Jao. 3:16-21 sy ny Jao. 9:35-41 ary ny Jao. 12:45-46. Ahoana no amerenan'ireo andalan-teny ireo ny lohahevitra momba ny finoana sy ny tsy finoana hita ao amin'ny sasinteny?

Toa mizara ho sokajy roa ny fahitana ny zanak'olombelona ao amin'ny filazantsaran'i Jaona: ireo izay mino an'i Jesôsy sy manaiky Azy ho Mesia, ary ireo izay nomena tombontsoa mba hinoany kanefa nifidy ny tsy hino.

Tao anatin'ilay sokajy voalohany ny 11 tamin'ireo mpianatr'i Jesôsy, tahaka izany koa i Nikodemôsy (izay tonga tsikelikely tamin'ny finoana), ilay vehivavy teo am-pantsakana, ary ilay lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny. Tao anatin'ilay sokajy faharoa kosa ireo Fariseo sy ny mpisoronabe, ireo vahoaka tamin'ny fahagagana namahanana olona dimy arivo, ary ny mpianatr'i Kristy anankiray (Jodasy).

Mahagaga ny tsy fahitana ny teny hoe "finoana" (pistis amin'ny teny grika) ao amin'ny filazantsaran'i Jaona. Ny matoanteny hoe "mino" (pisteuō) kosa dia miseho in-98 ao, ary in-241 no ahitana izany ao amin'ny TV manontolo! Lohahevi-dehibe tokoa io matoanteny io ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, ary ny fampiasana izany eo amin'ny toeran'ny anarana iombonana dia manondro ny hevitra manan-danja tanan'ny fahatongavana ho Kristianina. Asa iray ataontsika ny fahatongavana ho mpino an'i Jesôsy ary aseho eo amin'ny fomba fiainantsika izany fa tsy eo amin'ny foto-pinoana maro tsy akory. Fantatsika fa ny devoly koa aza dia mino an'i Jesôsy (jereo ny Jak. 2:19).

Ny fahasamihafana lehibe eo amin'ireo sokajy roa ireo, ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, dia ny fomba fifandraisany tamin'i Jesôsy. Nandray Azy tsara ireo mpino, na ireo vao tonga mpino, na dia niteny mafy na nananatra azy aza Izy. Nanatona an'i Jesôsy izy ireo fa tsy nandositra Azy. Izy no Fahazavana izay mamirapiratra eo amin'izy ireo. Ary noho ny finoany dia tonga zanak'Andriamanitra izy ireo.

Nanatona an'i Jesôsy mba hiady taminy kosa ireo tsy mpino. Sokajiana ho tia ny maizina fa tsy ny mazava izy ireo. Ho azy ireo dia sarotra ekena ny fahitana ny teny ataon'i Jesôsy; mandika ireo fomba fanao hatry ny ela na tsy mahatanteraka ny zavatra takin'izany no fahitan'izy ireo Azy. Mitsangana mba hitsara Azy izy fa tsy mamela ny Fahazavany handanja sy hitsara azy. Mazava loatra fa hita ombieny ombieny teo amin'ireo mpitondra fivavahana izany toe-tsaina izany; izy ireo izay mpitarika ara-panahy teo amin'ny firenena anefa no tokony ho nanaiky an'i Jesôsy voalohany indrindra.

Amin'ny fomba ahoana no anehoanao ny finoanao an'i Jesôsy, izay mifanohitra amin'ny fanekena Azy ho Mesia ao an-tsaina fotsiny? Nahoana no zava-dehibe ny fahafantarana ny fahasamihafan'izany? (Jereo ny Mat. 7:21-23). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal