Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: NY AO AMBADIKY NY TANTARA - Lohahevitra miverina indray momba ny finoana sy ny tsy finoana

Daty
Alarobia 16 October 2024

Vakio ny Jao. 3:16-21 sy ny Jao. 9:35-41 ary ny Jao. 12:45-46. Ahoana no amerenan'ireo andalan-teny ireo ny lohahevitra momba ny finoana sy ny tsy finoana hita ao amin'ny sasinteny?

Toa mizara ho sokajy roa ny fahitana ny zanak'olombelona ao amin'ny filazantsaran'i Jaona: ireo izay mino an'i Jesôsy sy manaiky Azy ho Mesia, ary ireo izay nomena tombontsoa mba hinoany kanefa nifidy ny tsy hino.

Tao anatin'ilay sokajy voalohany ny 11 tamin'ireo mpianatr'i Jesôsy, tahaka izany koa i Nikodemôsy (izay tonga tsikelikely tamin'ny finoana), ilay vehivavy teo am-pantsakana, ary ilay lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny. Tao anatin'ilay sokajy faharoa kosa ireo Fariseo sy ny mpisoronabe, ireo vahoaka tamin'ny fahagagana namahanana olona dimy arivo, ary ny mpianatr'i Kristy anankiray (Jodasy).

Mahagaga ny tsy fahitana ny teny hoe "finoana" (pistis amin'ny teny grika) ao amin'ny filazantsaran'i Jaona. Ny matoanteny hoe "mino" (pisteuō) kosa dia miseho in-98 ao, ary in-241 no ahitana izany ao amin'ny TV manontolo! Lohahevi-dehibe tokoa io matoanteny io ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, ary ny fampiasana izany eo amin'ny toeran'ny anarana iombonana dia manondro ny hevitra manan-danja tanan'ny fahatongavana ho Kristianina. Asa iray ataontsika ny fahatongavana ho mpino an'i Jesôsy ary aseho eo amin'ny fomba fiainantsika izany fa tsy eo amin'ny foto-pinoana maro tsy akory. Fantatsika fa ny devoly koa aza dia mino an'i Jesôsy (jereo ny Jak. 2:19).

Ny fahasamihafana lehibe eo amin'ireo sokajy roa ireo, ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, dia ny fomba fifandraisany tamin'i Jesôsy. Nandray Azy tsara ireo mpino, na ireo vao tonga mpino, na dia niteny mafy na nananatra azy aza Izy. Nanatona an'i Jesôsy izy ireo fa tsy nandositra Azy. Izy no Fahazavana izay mamirapiratra eo amin'izy ireo. Ary noho ny finoany dia tonga zanak'Andriamanitra izy ireo.

Nanatona an'i Jesôsy mba hiady taminy kosa ireo tsy mpino. Sokajiana ho tia ny maizina fa tsy ny mazava izy ireo. Ho azy ireo dia sarotra ekena ny fahitana ny teny ataon'i Jesôsy; mandika ireo fomba fanao hatry ny ela na tsy mahatanteraka ny zavatra takin'izany no fahitan'izy ireo Azy. Mitsangana mba hitsara Azy izy fa tsy mamela ny Fahazavany handanja sy hitsara azy. Mazava loatra fa hita ombieny ombieny teo amin'ireo mpitondra fivavahana izany toe-tsaina izany; izy ireo izay mpitarika ara-panahy teo amin'ny firenena anefa no tokony ho nanaiky an'i Jesôsy voalohany indrindra.

Amin'ny fomba ahoana no anehoanao ny finoanao an'i Jesôsy, izay mifanohitra amin'ny fanekena Azy ho Mesia ao an-tsaina fotsiny? Nahoana no zava-dehibe ny fahafantarana ny fahasamihafan'izany? (Jereo ny Mat. 7:21-23). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal