Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: NY AO AMBADIKY NY TANTARA: SASINTENY - Tamin’ny voalohany - Ilay teny avy any an-danitra

Daty
Alahady 13 October 2024

Vakio ny Jao. 1:1-5. Inona no ambaran'ireo teny ireo momba ny Teny, dia i Jesôsy Kristy? 
Miantomboka amin'izao hevitra mahatalanjona izao ny filazantsaran'i Jaona: "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra." - Jao. 1:1. 

Misy hevitra lalina izay saro-takarina ho antsika ao anatin'io fehezanteny kanto anankiray io.

Voalohany, ny tantaran’ny Famoronana no tondroin'ilay mpanoratra ny Filazantsara, ny Gen. 1:1, "Tamin'ny voalohany”. Efa teo ilay Teny talohan'ny niandohan'izao rehetra izao. Araka izany, dia ambaran'i Jaona ny fisian'i Jesôsy hatramin'ny mandrakizay.

Manaraka izany, "ary ny Teny tao amin'Andriamanitra". Ambaran'i Jaona fa "ao an-tratran'ny Ray" Izy, ao amin'ny Jao. 1:18. Na toy ny ahoana ny fiezahantsika haka sary an-tsaina ny tena hevitr'izany, dia izao no azo antoka: manana firaisana ety dia ety i Jesôsy sy ny Ray.

Rehefa izay, dia hoy i Jaona: "ary ny Teny dia Andriamanitra". Ahoana no mahatonga ny Teny sady tao amin'Andriamanitra no Andriamanitra? Ao amin'ny dikanteny grika no ahitana ny valin'izany. Manana mpanoritra voafaritra ny teny grika ("le" amin'ny teny frantsay), saingy tsy manana mpanoritra tsy voafaritra ("un/une" amin'ny teny frantsay) kosa. Ny zava-manan-danja ho antsika, araka izany, dia ny fanondroan'ny mpanoritra voafaritra grika ny zavatra na olona iray manokana.

Misy mpanoritra voafaritra ao amin'ny teny hoe "ny Teny tao amin'Andriamanitra"; ny teny hoe "Andriamanitra" no soritany, izay manondro Persôna iray manokana, ny Ray. Ary ny Teny tao amin'ny Ray. Ao amin'ny fehezanteny hoe "ary ny Teny dia Andriamanitra" kosa, ny teny hoe Andriamanitra dia tsy manana mpanoritra; manondro ny toetran'Andriamanitra izany. Andriamanitra i Jesôsy — saingy tsy Ray Izy, na izany aza dia Zanakalahin'Andriamanitra Izy, ilay Persôna faharoa ao amin'Andriamanitra telo izay iray.

Manamarina izany fahatakarana izany ilay Apostôly , satria ambaran'ny Jao. 1:3,4 fa i Jesôsy no Mpamorona ny zavatra rehetra. Ny zavatra rehetra izay tsy nisy teo aloha dia nanjary nisy tamin'ny alalan'i Jesôsy, ilay Andriamanitra Mpamorona.

"Hatramin'ny andro fahagola dia efa iray tamin'ny Ray Jesôsy Kristy Tompo; `Endrik’ Andriamanitra Izy' tamin’izany, endriky ny fahalehibeazany sy ny fiandrianany, famirapiratan’ny voninahiny.'" - IFM, t. 7.

Nahoana ny maha-Andriamanitra feno an'i Kristy no anisan'ny teolojiantsika izay manan-danja tokoa? lnona no ho verintsika raha toa i Jesôsy ka voary fotsiny ihany? Ento ao amin'ny kilasy amin'ny Sabata ny valinteninao, ary miomana hifanakalo hevitra mikasika ny antony mahazava-dehibe ho an'ny finoantsika ny maha-Andriamanitra mandrakizay an'i Kristy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal