Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: NY AO AMBADIKY NY TANTARA: SASINTENY - Tamin’ny voalohany - Ilay teny avy any an-danitra

Daty
Alahady 13 October 2024

Vakio ny Jao. 1:1-5. Inona no ambaran'ireo teny ireo momba ny Teny, dia i Jesôsy Kristy? 
Miantomboka amin'izao hevitra mahatalanjona izao ny filazantsaran'i Jaona: "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra." - Jao. 1:1. 

Misy hevitra lalina izay saro-takarina ho antsika ao anatin'io fehezanteny kanto anankiray io.

Voalohany, ny tantaran’ny Famoronana no tondroin'ilay mpanoratra ny Filazantsara, ny Gen. 1:1, "Tamin'ny voalohany”. Efa teo ilay Teny talohan'ny niandohan'izao rehetra izao. Araka izany, dia ambaran'i Jaona ny fisian'i Jesôsy hatramin'ny mandrakizay.

Manaraka izany, "ary ny Teny tao amin'Andriamanitra". Ambaran'i Jaona fa "ao an-tratran'ny Ray" Izy, ao amin'ny Jao. 1:18. Na toy ny ahoana ny fiezahantsika haka sary an-tsaina ny tena hevitr'izany, dia izao no azo antoka: manana firaisana ety dia ety i Jesôsy sy ny Ray.

Rehefa izay, dia hoy i Jaona: "ary ny Teny dia Andriamanitra". Ahoana no mahatonga ny Teny sady tao amin'Andriamanitra no Andriamanitra? Ao amin'ny dikanteny grika no ahitana ny valin'izany. Manana mpanoritra voafaritra ny teny grika ("le" amin'ny teny frantsay), saingy tsy manana mpanoritra tsy voafaritra ("un/une" amin'ny teny frantsay) kosa. Ny zava-manan-danja ho antsika, araka izany, dia ny fanondroan'ny mpanoritra voafaritra grika ny zavatra na olona iray manokana.

Misy mpanoritra voafaritra ao amin'ny teny hoe "ny Teny tao amin'Andriamanitra"; ny teny hoe "Andriamanitra" no soritany, izay manondro Persôna iray manokana, ny Ray. Ary ny Teny tao amin'ny Ray. Ao amin'ny fehezanteny hoe "ary ny Teny dia Andriamanitra" kosa, ny teny hoe Andriamanitra dia tsy manana mpanoritra; manondro ny toetran'Andriamanitra izany. Andriamanitra i Jesôsy — saingy tsy Ray Izy, na izany aza dia Zanakalahin'Andriamanitra Izy, ilay Persôna faharoa ao amin'Andriamanitra telo izay iray.

Manamarina izany fahatakarana izany ilay Apostôly , satria ambaran'ny Jao. 1:3,4 fa i Jesôsy no Mpamorona ny zavatra rehetra. Ny zavatra rehetra izay tsy nisy teo aloha dia nanjary nisy tamin'ny alalan'i Jesôsy, ilay Andriamanitra Mpamorona.

"Hatramin'ny andro fahagola dia efa iray tamin'ny Ray Jesôsy Kristy Tompo; `Endrik’ Andriamanitra Izy' tamin’izany, endriky ny fahalehibeazany sy ny fiandrianany, famirapiratan’ny voninahiny.'" - IFM, t. 7.

Nahoana ny maha-Andriamanitra feno an'i Kristy no anisan'ny teolojiantsika izay manan-danja tokoa? lnona no ho verintsika raha toa i Jesôsy ka voary fotsiny ihany? Ento ao amin'ny kilasy amin'ny Sabata ny valinteninao, ary miomana hifanakalo hevitra mikasika ny antony mahazava-dehibe ho an'ny finoantsika ny maha-Andriamanitra mandrakizay an'i Kristy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal