Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 18 April 2025

Vakio ny Jao. 2:1-11; Mat. 22:1-14; 2 Kôr. 11:1-5 ary ny Mat. 25:1-13.

Rehefa tsapan'ny olona iray ny habetsahan'ny fahalalana ao amin'ireo andalan-teny ao amin'ny Baiboly, izay manampy amin'ny fanitarana ny fahatakarana ny faminaniana, dia mety halaim-panahy izy hampiasa izany amin'ny fomba tafahoatra. Nandritra ny taonjato maro no nanasongadinan'ny Kristianina sasany ny sary an'ohatra sy tandindona ao amin' ireo tantaran'ny Baiboly ka nahatonga azy ireo nihevitra tamin'ny farany fa angano ihany ireo tantara hita ao. Na dia misy hevitra ara-tandindona samihafa aza hita saika manerana ny Soratra Masina, dia tokony hotsaroantsika mandrakariva ny fampiasan'Andriamanitra ireo tantara tena nisy - izay ahitana olona tena niaina izany- mba hampianarana antsika lesona mikasika ny fomba hifandraisany amin'ny fiangonana amin'ny hoavy.

Ilay fampakaram-bady tany Kana, ohatra, dia mety ahitana hevitra maneho sary an'ohatra momba ny fampakaram-bady ampiasain'ny faminaniana, nefa tranga tena niseho io fampakaram-bady io. "Ny tenin'i Kristy no nanomana tahiry betsaka ho amin'ny fanasana. Betsaka toy izarny koa ny fahasoavany nomaniny hikosehana ny fahadisoan'ny olombelona sy hanavaozana ary hanohanana ny fanahy." - IFM, t. 142.

Hitantsika koa izay nosoratan'i Ellen G. White eto: "Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony'. 'An'i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika (...) kosa ny zavatra ambara' Amô. 3:7; Deo. 29:28. Nomen'Andriamanitra antsika ireo zavatra ireo, ary hanampy izay mandinika ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina amim-panajana sy amim-pivavahana ny fitahiany. - IFM, t. 235.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Vakio ny Jao. 2:1-11. Marobe ny zavatra hita ao amin'ny filazantsaran'i Jaona izay maneho mialoha ny asa hataon'i Kristy amin'ny hoavy, ary tsikaritry ny mpamakafaka ny Baiboly ny fitarihan'i Jaona ireo mpamaky azy handroso hatreo amin'ny Hazo fijaliana. Aiza no ahitanao lafiny samihafa maneho ny toetran'i Kristy sy ny fanjakana izay ho avy ao amin'io tantara io? Inona no ampianarin'izany momba ny drafi-pamonjena, na koa ny lanonan'ny fampakaram-bady izay ampanantenain'Andriamanitra ny Zanany lahy?

2. Fantatry ny maro ary tian'ireo mpianatra ny Baiboly ny fanoharana momba ireo virijina folo. Inona no ampianarin'io tantara manan-danja io antsika momba ireo toe-javatra hiseho amin'ny andro farany? Manan-danja ve ny fitaredretry ny mpampakatra? Inona ny lesona amplanarin'io fanoharana io anao momba ny fifandraisan'ny tsirairay amin'i Kristy sy ny fomba ifandraisan'i Kristy amin'ny fiangonana?

3. Eritrereto ireo fomba fanao tsy izy tafiditra ao amin'ny fivavahana kristianina. Ankoatra ny anankiray izay miharihary, ny Alahady, izay mifanohitra amin'ny Sabata ara-Balboly, inona koa ny finoan-diso tafiditra ao? Ahoana no nidiran'izany, ary inona no azontsika atao ho fiarovan-tena amin'izany sy ho fanampiana ny hafa hahita ny tena toetr'izany? Ahoana no mahatonga ny hafatry ny anjely telo ho fanaovana araka izany indrindra, ho fanampiana ny olona hahita ireo finoan-diso izay tafiditra ao amin'ny fiangonana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fampidirana.
Sun 27 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny didy voalohany indrindra
Mon 28 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 2
Tue 29 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 7
Wed 30 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny tany sy ny ranomasina
Thu 01 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Maminany indray
Fri 02 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fianarana fanampiny.
Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal