Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Nofo iray ihany.

Daty
Alahady 13 April 2025

Tsy misy sary an'ohatry ny Baiboly mahalaza tsara ny firaisana ety irin'Andriamanitra ananana amin'ny taranak'olombelona mihoatra noho izay momba ny fanambadiana. Matetika tokoa no ampiasana izany fanoharana izany ao amin'ireo tantaran'ny Baiboly ary aseho mazava izany ao amin'ny Apôkalipsy mba hahatakaran'ny mpianatra ny Baiboly izay tian'Andriamanitra hambara rehefa mampiasa izany ao amin'ny Teniny Izy.

Vakio ny Gen. 2:23-25 sy ny Efes. 5:29-32. Ahoana no anehoan'ny fanambadian'olombelona taratra ny firaisan'i Kristy amin'ny olona?

Indray andro, raha niresaka tamin'ireo Fariseo i Jesôsy, dia namerina ny tantaran'ny fanambadian'i Adama sy i Eva ao amin'ny Genesisy. Tsy niandry ela akory ireo Fariseo fa nametraka izao fanontaniana izao taminy: "Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?" - Mat. 19:7.

Mazava loatra ny fiheveran'izy ireo an'i Mosesy ho mpaminany mpanorina ny fireneny. Alao sary an-tsaina izy ireo manontany ilay Tompo nanorina ny fanambadiana nefa mampifanohitra Azy amin'ny mpaminaniny. Tahaka ny fomba firesany tamin'i Jesosy ihany no nentiny nanao izany: matetika izy ireo no nanao izay hanaporofoana fa mifanohitra amin'ny Soratra Masina ny fampianaran'i Jesôsy .

Fanambadiana mandra-maty sy anjakan'ny toetra mahatoky no fenitra napetrak Andriamanitra raha namorona ny taranak'olombelona Izy. Indrisy anefa fa nosimban'ny olombelona lavo izany fanomezana sarobidy natolotr'Andriamanitra izany.

Azo heverina fa tsy kisendrasendra no mahatonga ny fanambadiana iharan'ny famelezan'i Satana tsy mitsahatra, noho ny fanomezan'ny Soratra Masina lanja lehibe izany. Ny fanambadiana sy ny Sabata no fanomezana roa nomena antsika tany Edena, ary samy nokendrena haneho ny fanirian'Andriamanitra hanana fifandraisana ety amin'ny zavaboariny izany.

Tsy maintsy hisy mandrakariva ny ny olana ao anatin'ny firaisana ety ahitana olon-droa samy tsy tonga lafatra. Ny fanambadiana iraisan'i Kristy sy ny fiangonana kosa dia firaisan'ny Mpamonjy tonga lafatra amin'ny ampakarina izay tsy manana toetra lavorary. Na izany aza, dia azontsika atao ny mianatra momba ny fitiavan'Andriamanitra avy amin'ny fanambadiana sambatra.

Indreto misy fitsipika telo ho an'ny fanambadiana:
Voalohany, avelao ny heloky ny vadinao, na dia tsy mendrika izany aza izy, tahaka ny amelan'i Kristy antsika na toy ny ahoana tsy fahamendrehantsika. 
Faharoa, ekeo ny maha-izy ny vadinao, ny tsy fahatanterahany sy ny rehetra momba azy, tahaka ny aneken'i Kristy ny momba antsika sy ny tsy fahatanterahantsika ihany.  
Fahatelo, tahaka ny iheveran'i Kristy antsika mialoha ny Tenany, hevero aloha ny momba ny vadinao vao mihevitra ny tenanao lanao. Ahoana no hanampian'ireo fitsipika miorina amin'ny filazantsara ireo antsika hahatakatra ny fomba ifandralsan' Andriamanitra amintsika? Ahoana no hanampian'lreo ny mpivady rehetra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (56)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal