Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Nofo iray ihany.

Daty
Alahady 13 April 2025

Tsy misy sary an'ohatry ny Baiboly mahalaza tsara ny firaisana ety irin'Andriamanitra ananana amin'ny taranak'olombelona mihoatra noho izay momba ny fanambadiana. Matetika tokoa no ampiasana izany fanoharana izany ao amin'ireo tantaran'ny Baiboly ary aseho mazava izany ao amin'ny Apôkalipsy mba hahatakaran'ny mpianatra ny Baiboly izay tian'Andriamanitra hambara rehefa mampiasa izany ao amin'ny Teniny Izy.

Vakio ny Gen. 2:23-25 sy ny Efes. 5:29-32. Ahoana no anehoan'ny fanambadian'olombelona taratra ny firaisan'i Kristy amin'ny olona?

Indray andro, raha niresaka tamin'ireo Fariseo i Jesôsy, dia namerina ny tantaran'ny fanambadian'i Adama sy i Eva ao amin'ny Genesisy. Tsy niandry ela akory ireo Fariseo fa nametraka izao fanontaniana izao taminy: "Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?" - Mat. 19:7.

Mazava loatra ny fiheveran'izy ireo an'i Mosesy ho mpaminany mpanorina ny fireneny. Alao sary an-tsaina izy ireo manontany ilay Tompo nanorina ny fanambadiana nefa mampifanohitra Azy amin'ny mpaminaniny. Tahaka ny fomba firesany tamin'i Jesosy ihany no nentiny nanao izany: matetika izy ireo no nanao izay hanaporofoana fa mifanohitra amin'ny Soratra Masina ny fampianaran'i Jesôsy .

Fanambadiana mandra-maty sy anjakan'ny toetra mahatoky no fenitra napetrak Andriamanitra raha namorona ny taranak'olombelona Izy. Indrisy anefa fa nosimban'ny olombelona lavo izany fanomezana sarobidy natolotr'Andriamanitra izany.

Azo heverina fa tsy kisendrasendra no mahatonga ny fanambadiana iharan'ny famelezan'i Satana tsy mitsahatra, noho ny fanomezan'ny Soratra Masina lanja lehibe izany. Ny fanambadiana sy ny Sabata no fanomezana roa nomena antsika tany Edena, ary samy nokendrena haneho ny fanirian'Andriamanitra hanana fifandraisana ety amin'ny zavaboariny izany.

Tsy maintsy hisy mandrakariva ny ny olana ao anatin'ny firaisana ety ahitana olon-droa samy tsy tonga lafatra. Ny fanambadiana iraisan'i Kristy sy ny fiangonana kosa dia firaisan'ny Mpamonjy tonga lafatra amin'ny ampakarina izay tsy manana toetra lavorary. Na izany aza, dia azontsika atao ny mianatra momba ny fitiavan'Andriamanitra avy amin'ny fanambadiana sambatra.

Indreto misy fitsipika telo ho an'ny fanambadiana:
Voalohany, avelao ny heloky ny vadinao, na dia tsy mendrika izany aza izy, tahaka ny amelan'i Kristy antsika na toy ny ahoana tsy fahamendrehantsika. 
Faharoa, ekeo ny maha-izy ny vadinao, ny tsy fahatanterahany sy ny rehetra momba azy, tahaka ny aneken'i Kristy ny momba antsika sy ny tsy fahatanterahantsika ihany.  
Fahatelo, tahaka ny iheveran'i Kristy antsika mialoha ny Tenany, hevero aloha ny momba ny vadinao vao mihevitra ny tenanao lanao. Ahoana no hanampian'ireo fitsipika miorina amin'ny filazantsara ireo antsika hahatakatra ny fomba ifandralsan' Andriamanitra amintsika? Ahoana no hanampian'lreo ny mpivady rehetra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (11)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal