Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FANAMBARANA AN'I KRISTY HO MESIA - Ny fanambaran’ i Jaona mpanao batisa

Daty
Alahady 20 October 2024

Araka ny nohazavain'ny lesona tamin'ny herinandro lasa dia manomboka amin'i Jesôsy Kristy ilay Teny, sy ny fisiany mandrakizay talohan'ny Famoronana, ny filazantsaran'i Jaona. Kanefa hita ao amin'io fampidirana io koa fa vavolombelona manambara an'i Jesôsy i Jaona. Nanantena mesia anankiroa ny Jiosy sasany tamin'ny andron' i Jesôsy: ny iray miendrika mpisorona, ary ny iray miendrika mpanjaka. Mampianatra mazava i Jaona fa tsy nilaza ny tenany ho ny anankiray amin'ireo mesia ireo i Jaona mpanao batisa, fa izy kosa manambara Ilay tena Mesia.

Vakio ny Jao. 1:19-23. Ahoana no anazavan' i Jaona ny asany sy ny iraka nampanaovina azy?

Naniraka mpisorona sy Levita ireo mpitondra fivavahana mba hanontany an'i Jaona hoe iza moa izy. Noho ny fiheveran-diso nanjaka tao Jodia momba ny mesia dia zava-dehibe ho an'i Jaona ny nanazava tsara ny momba azy teo anatrehan'ireo fiheverana ireo. Tsy izy no llay Mazava, fa nirahin'Andriamanitra ho vavolombelona hanambara ny Mazava kosa izy, sy hanomana ny olona ho amin'ny fiavian'ny Mesia (Jao. 1:6-8). Izany no antony namaliany azy ireo mazava araka izay azony natao hoe: "Tsy izaho no Kristy." - Jao. 1:20.

Ary izao koa, nanao batisa tamin'ny rano i Jaona, fa i Kristy kosa amin'ny Fanahy Masina (Jao. 1:26,33). Tsy mendrika hamaha ny fehin-kapan'i Jesôsy aza i Jaona (Jao. 1:27). Manan-tombo i Kristy raha mitaha amin'i Jaona satria Izy no efa talohan'i Jaona (Jao. 1:30). Zanak'Andriamanitra i Jesôsy , ary nanondro Azy fotsiny i Jaona (Jao. 1:34).

Vakio ny Isa. 40:1-5 sy ny Jao. 1:23. Ahoana no nampiasan' i Jaona ireo andininy ireo?

Tamin'izany andro izany dia feno lavadavaka sy vatovatoina ny lalana, koa mazána no nisy mpanompo nirahina hialoha ny mpanjaka mba handravona ny mikitoantoana sy hanamboatra ny lalan'ny mpanjaka hahitsy tsara. Toy izany no nahatongavan'i Jaona, izay nahatanteraka ny faminaniana, mba hanomana ny fon'ny olona handraisana an'i Jesôsy.

Amin'ny fomba ahoana no tokony hiasantsika, amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika, tahaka an'i Jaona mpanao batisa koa? Inona no mampitovy antsika aminy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal