Mihamitombo hatrany maneran-tany ireo orinasa mikaroka ny fomba hampitambarana ny fahaiza-manaon'ny solosaina sy ny atidohan'olombelona. Toy izao izany raha lazaina amin'ny teny hafa: ny fampifandraisana ny atidoha amin'ny solosaina dia antenain'ny mpahay siansa fa hahafahana mifehy ny fisainantsika amin'ny alalan'ny solosaina. Mety mampanantena vokatra tsara ny fametrahana fitaovana kely ao amin'ny atidohan'olombelona, anisan'izany ny fanampiana amin'ny fifehezana ny aretina androbe sy ny fahaketrahana ary ny aretin'i Parkinson. Na izany aza anefa, dia azo heverina ny hampiasana izany ho amin'ny tanjona mampanahy; tsy isalasalana fa mety ho isan'izany ny fifehezana ny fisainana.
Amin'ny lafiny iray, dia efa izany tokoa no mitranga. Tahaka ny solosaina iray ny saintsika, saingy mbola ambony lavitra noho izany ny tanjany sy ny fiasany. Ny zava-misy miseho tsy tapaka manoloana antsika dia mamolavola ny saintsika sy manana hery miasa mangina ea amin'ny fisainantsika ary manoritra ny asa ataontsika. Rehefa milomano ao anatin'ny haino vaky jery be loatra isika, dia mamela marika ao amin'ny saintsika ny fomba fisainan'izao tontolo izao ka manjary mitovy fomba fihevitra amin'izy ireo isika. Toy ny hoe apetraka na akambana amin'ny atidohantsika ny fisainan'ny hafa.
Tokony ho "araka ny Fanahy" tahaka an'i Jesosy isika, ka hampifantoka ny saintsika amin'ny zavatry. ny Fanahy (Rom. 8:5). Hoy i Paoly: "Tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany" izay mifanohitra amin'ny "fanahinizao tontolo izao" - 1 Kôr. 2:11,12. Iza no mpampianatra antsika? Ary Inona ny lesona ianarantsika?
Vakio ny Fil. 2:5. Araka ny hevitrao, midika Inona ny hoe manana ny "sain'i Kristy?
Raha ny marina, dia afaka miova hevitra isika, saingy tsy afaka manova ny fontsika; Andriamanitra irery no mahay manao izany. saintsika ny handidian'ny Fanahy Masina ny fontsika, ka ampiasany ny "sabatry ny Fanahy (Efes. 6:17), ilay tenin'Andriamanitra izay "velona sy mahery" ka "manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo." - Heb. 4:12. Amin’ny alalan'ny Fanahy Masina irery ihany no hahafahantsika mamantatra marina ny tenantsika, satria mamitaka antsika ny fontsika (Jer. 17:9). Ny teny hebreo ilazana ny hoe "mamitaka" ('agov) dia manondro tany mikitoantoana izay mety hahatafintohina antsika. Raha tsarina, dia manondro fisainana feno tsy fahamarinana sy tsy fahitsiana izany. Tsy maintsy ovana isika, amin'ny alalan'ny "fanavaozana" ny saina mba hahaizantsika mamantatra "ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina." - Rôm. 12:2.
Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fanarahantsika izay Iazain'i Paoly amintsika hoe: "Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona mahate-ho-tia, na Inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany." Fil. 4:8?