Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 18 October 2025

FAMPIDIRANA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 5:13-15; Isa. 37:16; Apok. 12:7-9; Deo. 32:17; Eks. 14:13,14; Jos. 6:15-20.

Tsianjery:

"Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehôvah ny feon'olona; fa Jehôvah niady ho an'ny Isiraely." Jos. 10:14.

Eo am-pamakiana ny bokin'i Josoa, dia mahita fanafihana ara-miaramila mahery vaika notanterahina noho ny baikon'Andriamanitra, tamin'ny anaran'Andriamanitra, ary niaraka tamin'ny fanampian’Andriamanitra isika. Hita manerana ny bokin'i Josoa ny hoe Andriamanitra no tao ambadiky ny fahazoana ny tany Kanana. Nanambara izany ny mpitantara (Jos. 10:10,11), ny tenin'Andriamanitra mihitsy (Jos. 6:2; Jos. 8:1), ny lahatenin'i Josoa (Jos. 4:23,24; Jos. 8:7), i Rahaba (Jos. 2:10), ireo mpisafo tany (Jos. 2:24), ary ny vahoaka (Jos. 24:18). Andriamanitra mihitsy no milaza fa fanapahan-keviny ny firosoana tamin'ireo ady feno herisetra ireo.

Mampametra-panontaniana tsy azo ialana izany zava-misy izany. Ahoana no ahazoantsika an-tsaina fa fanaon'ny olom-boafidin'Andriamanitra izany tamin'ny andron'ny TT? Ahoana no azo ampifandraisana ny maha-"mpiady" an'Andriamanitra amin'ny toetrany be fitiavana (ohatra: Eks. 34:6; Sal. 86:15; Sal. 103:8; Sal. 108:4), kanefa tsy manalefaka ny fahefana ananan'ny TT, na ny maha-azo antoka azy, na ny maha-zava-misy ara-tantara azy?

Amin'ity herinandro ity sy ny herinandro ho avy, dia handinika ny amin'ilay fanontaniana sarotra momba ny ady ao amin'ny bokin'i Josoa sy any an-kafa isika, izay Andriamanitra no nibaiko azy.

*Famerenana ny lesona ny sabata 25 Oktobra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal