Resahina ao amin'ny TV ny asan'ny mpaminany sy ny Apôstôly. Araka ny hevitry ny teny grika hoe apostolos, ny apostoly dia "mpitondra hafatra", na "olona nirahin'Andriamanitra". Ao amin'ny filazantsara dia manondro ireo mpianatr'i Jesosy 12 lahy ny teny hoe "apostoly". Manohana izany hevitra izany ny TV manontolo ary manondro olona maro hafa ho apostoly koa, ankoatra ny mpianatr'i Kristy tany am-piandohana.
In-12 ao amin'ny epistiliny no ilazan'i Paoly ny tenany ho Apôstôly. Ao amin'ny Rôm. 1:1,2 dia ampifandraisiny amin'ny votoatin'ny toriteniny ny fiantsoana azy ho apostoly, ary koa amin'ny hafatr'ireo mpaminany ao amin'ny TT. Nanambara ny tenany ho apostolin'ny Jentilisa i Paoly (Rôm. 11:13). Voantso "noho ny sitrapon'Andriamanitra" izy - 1 Kôr. 1:1.
Tsy tahaka ireo mpisorona izay ny taranany ihany no mandimby azy amin'ny asany, Andriamanitra kosa dia manendry mpaminany sy apostoly araka ny sitrapony. Rehefa nisy nisalasala ny maha apostoly an'i Paoly, dia nanazava momba ny fiantsoana azy izy (1 Kôr. 9:1,2). Ho an'i Paoly dia miorina eo amin'ny asan'i Kristy, Ilay fanorenan'ny fiangonana, ny maha apostoly azy (Efes. 2:20). Amin'ny maha mpandray ny fanambarana avy amin'Andriamanitra azy, dia nomena tsindrimandry mitovy amin'ny an'ny mpaminany ny Apôstôly (Efes. 3:1-5).
Ho an'i Petera, araka ny voalazany ao amin'ny 2 Pet. 3:1,2, ireo mpaminany dia olona tonga talohany, ary manan-danja lehibe ny teniny. Ary ankehitriny ny apostoly dia aseho ho toy ny manana fahefana mitovy amin'izany koa. Resahina ao amin'ireo andininy ireo ny andron'ny Testamenta Taloha sy Vaovao. Mpitondra ny hafatr'Andriamanitra tamin'ny andron'ny TT ny mpaminany, ary ny apostoly no mpitondra hafatra nirahin'Andriamanitra tamin'ny andron'ny TV; kanefa nisy koa olona naminany na nampiasa ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana nefa tsy apostoly. Ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana dia tsy voafetra ho an'ny apostoly ihany tamin'ny andron'ny TV. Ary tsy ny mpaminany rehetra koa no Apôstôly (Asa. 15:32).
Araka ny Efes. 2:20 sy ny Efes. 3:5, inona no ifandraisan'ny asan'ny Apôstôly sy ny mpaminany amin'i Kristy sy ny fiangonana?
Ary araka ny fantatsika koa rehefa mamaky izay nosoratan'ireo apostoly ao amin'ny TV, dia i Jesosy no ivon'izany ankapobeny. Ny fiainan'i Jesôsy, ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin'ny maty, ny fanompoana ataony amin'ny maha Mpisoronabe Azy, ary ny fiverenany no tena ifantohan'izy ireo indrindra.
Ny Baiboly no hany firaketana ofisialy ananantsika momba ny tenin'ireo apostoly sy ny mpaminany mikasika an'i Jesôsy sy ny fiainany ary ny asany. Nahoana, araka izany, no tokony hanana ny fahefana faratampony ny Baiboly amin'izay inoantsika momba an'i Jesôsy sy ny fahafatesany ho antsika?