Nanana fironana nanilika an'Andriamanitra tsy ho ao anatin'ny tontolon'ny teolojia ny sasany tamin'ireo «teolojianina malala-tsaina» («Théologiens libéraux», izay tsy mino ny voalazan'ny Baiboly ho fahamarinana ara-bakiteny, fa manova izany araka ny toe-java-misy) tamin'ireo taona manodidina ny 1960. Tarnin'ny taona 2017, dia nisy lohateny lehibe nisongadina teo amin'ny fonon'ny gazety Time hoe: "Maty ve ny fahamarinana?". Mahaliana izany satria maneho ny toetoetry ny fiaraharnonintsika ankehitriny io fironana io. Ny hevitra momba ny "fahamarinana" mihitsy no simba ka manjary tsy misy mahafantatra izay tena marina intsony. Araka ny kolontsain'ny besinimaro dia tsy misy izany maridrefy na fototra tsy miova izany, na azo lanteherana tsy ho lefin'ny fotoana. Hoy kosa i Jesôsy: "Izaho no... fahamarinana" - Jao. 14:6. Manambara ny Tenany ho fahamarinana madio sy tanteraka ny Tenin'i Kristy.
Vakio miadana ireto andininy telo manaraka ireto, avy eo, avereno vakina fanindroany. Inona no voamarikao amin'ireo hafatra ireo?
Jao. 17:17………………………..………………………..………………………..………………………
Ohab. 30:5,6 ………………………..………………………..………………………..……………….
Sal. 12:6………………………..………………………..………………………..……………………….
Ambaran'ny Baiboly fa ny fahamarinana fototra, i Jesôsy mihitsy, dia tsy miova (Heb. 13:8). Ary izao koa, rehefa mamaky ny Tenin'Andriamanitra isika, dia mitombo ny fahatakarantsika ny amin'Andriamanitra sy ny fahamarinany. "Harem-pahamarinana maro no mbola tokony ho hitan'izay mikatsaka amim-pahazotoana." TFC, b. 5. t. 704. Rehefa miresaka momba ny "fahamarinana" i Ellen G. White, dia manondro mandrakariva ny fahamarinana izay omen'Andriamanitra ao amin'ny Teniny. Azontsika atao ny mahita fahazavana fanampiny ao amin'ny Baiboly satria ny Baiboly dia tsy mifanohitra velively amin'ireo fahamarinana taloha, fa manorina eo ambonin'izany kosa.
Vakio ny 1 Tes. 2:13; Sal. 33:4,5; ary ny Efes. 1:13. Inona no hafatra ao?
Ny Baiboly, ary ny Baiboly irery ihany, no tsy maintsy ho loharano fototra iorenan'izay fahatakarantsika ny atao hoe fahamarinana, amin'ny farany. Tsy maintsy sedraina, zahan-toetra amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra, ny loharano hafa rehetra. Na izay heverintsika ho "fahendrena" aza dia mila sedraina amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra.
Misy ireo izay te handahatra fa tsy misy izany fahamarinana izany. Nahoana no manohitra ny tenany ihany izany fanambarana izany? Izany hoe, nahoana ny filazana fa tsy misy ny fahamarinana no fiezahana hilaza fahamarinana ihany?