Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.

Daty
Alarobia 22 April 2026

Inona no mety hiova ao an-tokantranonao raha mitodika any amin'ny Baiboly ianao rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe horaisinao, na miatrika olana ara-pifandraisana na zava-tsarotra ianao? Inona no mety hiova any am-piasana na ao am-piangonana raha toa ka ny tenin'ny Baiboly no tena atao solomaso hijeren ny olona izao tontolo izao sy atao fiainana?

Fantatr'ireo mpanoratra ny Baiboly ny lanjan'ny teny ao aminy. Tsy misy boky hafa mahakasika ny fiainanao tahaka ireo teny ireo. Mety ho ao amin'ireo pejin'ny Baibolinao no mipetraka ireo teny ireo, nefa ahoana no ahafahanao mitahiry izany ao am-ponao?

Inona no torohevitr'i Davida ao amin'ny Sal. 119:11, ary ahoana по hanarahanao izany? (Jereo koa ny Heb. 4:12.)

Hita ao amin'ny Heb. 4:12 ny iray amin'ireo fanambarana ataon'ny Baiboly momba ny tenany. Mahery sy maranitra ny sabatra roa lela, saingy ny Baiboly dia mahay manatanteraka izay tsy hain'ny fitaovan'olombelona atao ho an'ny fanahy. Mamaritra ny tenany hoe velona ny Baiboly. Mety hametra-panontaniana ianao hoe ahoana no mahatonga izany nefa efa an'arivony taona lasa no nanoratana azy? Saingy hoy i Jesôsy: "Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana-Jao. 6:63. Raha vaky fo ianao na mikoro ny fiainanao, dia afaka manambara ny teniny eo amin'ny tontolo misy anao Andriamanitra ary hanova ny zava-drehetra. Soritsoritan'ny Testamenta Taloha koa fa tena miasa ny tenin'Andriamanitra fa tsy mipetrapetra-poana na tsy manao na inona na inona (jereo ny Isa. 55:11). Rehefa nisaintsaina ny herin'ny tenin'Andriamanitra teo amin'ny fiainany i Davida, dia nanoratra hoe: "Izao no mampionona ahy amin'ny fahoriako; ny teninao no mamelona ahy." - Sal. 119:50.

Angamba efa nisy fotoana nahatsapanao hanoanana mafy teo amin'ny fiainana, na nifady hanina na nanaraka fomba fisakafo manokana ianao. Tsy matsiro ve ny sakafo rehefa noana iny ianao? Amin'ny heviny ara-panahy, ny Baiboly dia sakafo ho an'ny fanahintsika. Raha mahatsiaro noana ny fanahinao, sokafy ny Teny velona. 

Vakio ny Jer. 15:16, 1 Pet. 2:2, ary ny Mat. 4:4. Matsiro ho an'ny saina sy ny fo ny tenin'Andriamanitra, ary rehefa mamaky izany isika, dia hamoky sy hamelona antsika araka ny toky nomena izany.

Avy amin'Andriamanitra mihitsy ireo hafatra ao amin'ny Baiboly, izay Teniny. Ho antsika manokana sy ho an'izay rehetra mitady Azy no nanomezan Andriamanitra ireo hafatra ireo. Rehefa mamaky izany amim-pivavahana sy amin'ny fo vonona handray isika, dia tsy ho very maina izany teny izany.

Manao ahoana ny fotoana laninao isan'andro amin'ny famakiana Baiboly? Inona avy no ataonao amin'izany? Inona no azonao atao mba hahatonga izany fotoana izany hahazoanao tombony lehibe ara-panahy araka izay azo atao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal