Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.

Daty
Alatsinainy 20 April 2026

Ny fahefana ananan'ny Baiboly sy ny asany dia voambara mazava tsara ao amin'ireo pejiny. Vakio ary soraty eto ny 2 Tim. 3:15-17. Mariho tsara izay lazain'ireo andininy ireo aminao momba ny asan'ny Baiboly.

Raha ny fandinihan'ny tena manokana ny Baiboly no resahina, dia mila mitandrina isika tsy hanantena hampifanaraka ny Baiboly amin'ny tanjontsika na ny fomba fijerintsika, izay tsy mitovy mandrakariva amin'ny an'Andriamanitra. Ohatra, tsy tokony hataontsika ilay fomba hoe "akimpy ny maso dia manondro andininy iray", satria tsy toy izany no fomba tian'Andriamanitra hiresahana amintsika amin'ny alalan'ny Teniny. Andriamanitra dia tsy saribakoly azo fehezina amin'ny kofehy, ka miandry fotsiny hampiasaina aminizay ilantsika azy na ny sitrapontsika. Ambony lavitra noho ny antsika ny lalany sy ny fiheviny (Isa. 55:9), ka tsy tokony hanandrana hifehy ny teniny ho antsika mihitsy isika. Tsy tokony hifidy na haka izay ampahany mahafinaritra antsika fotsiny ao amin'ny Baiboly koa isika. Fitambaran-javatra tay azo saratsarahina kosa no tokony handraisantsika ny Baiboly, fa tsy hoe hamaky izay andalan-tsoratra mora raisina sy mahazatra fotsiny isika ka hamela ireo izay manitsy antsika na saro-takarina amintsika. Raha tena tiantsika hiteny eo amin'ny fiainantsika tokoa Andriamanitra, dia tsy maintsy raisintsika iray manontolo ny Baiboly, ary fomba fiasa tsara no ampiasaintsika eo am-pandalinana izany amim-pitandremana, sady matoky fa hanambara izay ilaintsika horenesina Andriamanitra amin'ny fotoana ilantsika mandre izany.

Ankoatra izany, i Jesôsy mihitsy no milaza hoe: "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra."-Mat 22:37. Izany hoe, tian Andriamanitra hihevitra ny saintsika koa isika; tiany hofenoina amin'ny haren'ny fahalalany sy fahazavan-tsaina ny saintsika, izay ambarany ao amin'ny Teniny amin'ny ampahany. Afaka mamaky tantara maro ao amin'ny Baiboly isika, izay nifampiresahan Andriamanitra tamin'ny olona toa an'i Enoka, i Abrahama, Mosesy, ary i Joba, ankoatra ny resaka maro nifanaovan'i Jesosy tamin'ny olona. Tsy hamavoin Andriamanitra tsy akory ny fisainan'olombelona, fa manasa antsika kosa Izy hampilefitra izany hofehezin'ny Teniny sy ny fahendreny «eo am-plasantsika hahatanteraka ny famonjena antsika»,

Tsy tanteraka ihany anefa ny sain'olombelona mety manao fahadisoana sy mamitaka, tsy lavorary. Vitan'ny sain'olombelona ny manilika an'Andriamanitra sy miezaka samirery handamin-javatra, ka amin'izany no ametrahany ny «izaho» hitovy amin'Andriamanitra, na ho amboniny mihitsy aza. Mety handray ny Soratra Masina amin'ny fo miavonavona sy feno fanakianana ny olona, mihevitra fa efa reny avokoa izany rehetra izany ary tsy misy zava-baovao aminy intsony. Rehefa mihevi-tena ho manan-danja, matoky tena, mahavita tena, ary tsy mila na inona na inona isika, dia manao tsirambina ny fifandraisantsika armin Andriamanitra ary miantehitra amin'ny fahalalantsika voafetra sy ny fisainantsika feno fahadisoana.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal