Ny fahafahantsika mandray fampianarana avy amin'ny Tenin'Andriamanitra (Joba 22:22) dia miankina betsaka amin'ny toe-pontsika rehefa mandray ny Baiboly isika. Ahoana no anazavan'ny 1 Kor. 2:14 izany?
Ny fananana fahaiza-manavaka ara-panahy dia midika ho fananana fahalalana sy fahatakarana ara-panahy. Koa rariny raha hafa tanteraka ny hevitra voarain'ny olona manana saina misokatra ara-panahy rehefa mamaky ny Baiboly raha mitana amin'izay voarain'ny olona manana saina mihidy ara-panahy. Ny olona izay mihevitra ny Baiboly ho fahadalana dia tsy hitady fahamarinana ao amin' ireo pejiny.
Noho izany, na ny toe-pontsika manoloana ny Baiboly na ny fomba famakiantsika azy dia samy tena manan-danja tokoa ho amin'ny fitomboana amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Ahoana no anazavan'i Paoly izany ao amin'ny 1 Tes. 2:13?
Miasa ao anatintsika ny Tenin'Andriamanitra rehefa mino isika. Rehefa manokatra ny Baibolinao ianao ka mino fa manan-javatra holazaina aminao Andriamanitra ao amin'ireo pejy ireo, dia hiteny aminao marina tokoa Izy ary hiasa eo amin'ny fiainanao. Saingy miankina betsaka amin'ny finoanao sy ny zavatra antenainao izany. Ity no vaovao mahafaly: raha kely ny finoanao, dia afaka manampy azy hitombo Andriamanitra (Mar. 9:24), na dia bitika toy ny voan-tsinapy aza izany (Lio. 17:6).
Iray amin'ireo tanjona lehiben'ny Baiboly ny hilaza ny marina amin'ny fiainantsika momba ny toetry ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra sy ny fomba hanatanjahana izany. Raha misokatra handray ny Fanahy Masina ny fonao, raha mamaky ny Teny amim-panetren-tena ianao, dia ho voaova hatrany, na dia mety tsy ho tsikaritra avy hatrany isan'andro aza izany, satria matetika miandalana ny fiovana sy ny fitomboana toy izany. Saingy raha minia tsy miraika sy manota isika ka tsy vonona hiova, dia kely ihany ny soa mety ho azontsika amin'ny famakiana Baiboly. Manetsika antsika ny Fanahy Masina mba hanakaiky an'i Jesôsy Kristy. Maniry ho akaiky Azy kokoa ve isika? Raha eny, dia "hampahahendry antsika ho amin'ny famonjena izany (2 Tim. 3:15), ary hahita zavatra izay tsy mbola noeritreretintsika akory isika.
Manao ahoana ny toe-poko sy saiko rehefa manatona ny Baiboly aho? Moa ve mitondra ny hevitro fotsiny eo amin'ny Baiboly aho miaraka amin'ny tanjona hanamarina izany, sa manatona amin'ny saina sy fo misokatra, vonona hahita izay tian’Andriamanitra hambara amiko, amin'ny finoana toy ny an'ny zaza? Nahoana no tena manan-danja ny va lin'izany?