Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?

Daty
Talata 28 October 2025

FANDROAHANA SA FANDRINGANANA?

Ampitahao amin'ny Eks. 34:13 ny Eks. 23:28-30: Eks. 33:2; Eks. 34:11; Nom. 33:52 ary ny Deo. 7:20. Ampitahao koa ny Deo. 7:5; Deo. 9:3; Deo. 12:2,3 ary ny Deo. 31:3,4. Inona no ambaran irea toko sy andininy ireo mikasika ny tanjon'ny ady hakana ny tany, ary hatraiza ny faharavana nisy?

Tsy fandringanana tsy akory no fikasan Andriamanitra tany am-piandohana ho an'ireo Kananita, fa fandroahana azy ireo teo amin'ny taniny. Rehefa dinihina ireo lahatsoratra milazalaza ny fomba nasaina nataon'ny Isiraely nandritra ireo ady mba hakana ny tany, dia voambolana mifandraika amin'ny fakana ny tanin'ireo mponina teo amin'ilay tany nampanantenaina sy ny fandroahana azy ireo no armpiasaina ao. Ny vondron-teny faharoa izay miresaka momba ny fandravana sy mampanao izany asa izany ny isiraely indray dia manondro indrindra ireo zavatra tsy manana aina, toy ireo zavatra mifandraika amin'ny fivavahana amin'ny sampy sy ireo sampy natao horavana. Hita miharihary fa ny toeram-pivavahana amin'ny sampy sy ireo alitara samihafa no tena ivon'ny fivavahana kananita.

Nifantoka indrindra tamin'ny kolontsaina sy ny fiarahamonina feno faharatsiana tao Kanana ny ady masina. Mba tsy hianahan'izany fahalovana izany, dia nasaina noravan'ny Isiraely ireo zavatra rehetra izay mety hampiely azy. Ireo mponina rehetra tao Kanana kosa, sy ireo olona izay nanaiky ny fanapahan Andriamanitra sy ny fahefany talohan'ny fakana ilay tany, na koa nandritra ny ady mihitsy aza, dia afaka nandositra ka nifindra monina (Jos. 2:9-14; ampitahao amin'ny Mpits. 1:24-26). Ny hany ampahana Kananita niharan'ny fandravana dia ireo izay nijanona tao anatin'ireo tanana mimanda, ireo izay nikiribiby nanohitra ny drafitr Andriamanitra ho an'ny Isiraelita sy nanamafy ny fony (Jos. 11:19,20).

Na izany aza, dia misy fanontaniana mipetraka ihany manoloana izany: raha toa ka ny handroaka ireo mponina tao amin'ny tany fa tsy ny handringana azy ireo no tanjon'ny fakana an'i Kanana tany am-boalohany, nahoana àry ny Isiraelita no tsy maintsy namono olona marobe tokoa?

Nasehon'ny fandinihana ireo andalan-tSoratra Masina mifandraika amin'ny fakana ny tany Kanana fa ny fikasana tany am-piandohan'ny ady dia ny handroaka ireo mponina kananita. Nanamafy fo anefa ny ankamaroan'izy ireo, tahaka an'i Farao tany Egypta; nifandray tendro loatra tamin'ny kolontsaina tao koa izy ireo ka ny fandravana ny kolontsainy dia nidika ho fandringanana azy niaraka tamin'izany koa.

Inona ny lafin-toetranao na fahazaranao izay tokony hesorina hatramin'ny fakany sy hofoanana tanteraka?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal