Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Fahatezerana ara-drariny

Daty
Talata 28 January 2025

Na dia misy aza endrika fahatezerana maro tsy araka ny tokony ho izy, пу Baiboly dia mampianatra kosa fa misy ny "fahatezerana ara-drariny".

Alao sary an-tsaina hoe manara-maso ny zanany kely telo taona milalao eo an-tokotany ny renim-pianakaviana iray, no indro misy lehilahy mamely tampoka ilay zanany. Tsy tokony ho tezitra ve izy? Mazava loatra fa mahatezitra izany. Fihetsika ara-dalàna vokatry ny fitiavana ny fahatezerana amin'ny toe-javatra toy izany. Manampy antsika hahatakatra ny maha-ara-drariny пу fahatezeran’Andriamanitra io ohatra io.

Vakio ny Mat. 21:12,13 sy ny Jao. 2:14,15. Diniho ny fihetsik'i Jesôsy manoloana ny fomba nampiasana ny tempoly: inona no ambaran'izany mikasika ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny ratsy?

Naneho hafanam-po masina i Jesôsy raha naneho hatezerana ara-drariny tamin'ireo izay nanao ny tempolin'Andriamanitra ho toerana fivarotana sy "fieren'ny jiolahy", mba hanararaotana ireo mpitondratena sy kamboty ary mahantra (Mat. 21:13; ampitahao amin'ny Jao. 2:16). Nampiasaina hangalarana sy hampahorina ireo izay marefo indrindra ny tempoly sy ny fanompoam-pivavahana, kanefa natao haneho ny fahasoavan'Andriamanitra mamela heloka sy manadio ny mpanota izany. Tsy rariny ve raha tezitra noho izany fahavetavetana izany i Jesôsy?

Ahitana ohatra hafa koa momba io fahatezerana ara-drariny io ao amin'ny Mar. 10:13,14 sy ny Mar. 3:4,5. Rehefa nitondra zaza ho eo amin'i Jesôsy ny olona, ka "niteny mafy ireny" ny mpianatra, dia "tezitra"i Jesôsy. Hoy Izy tamin'ny mpianatra: "Avelao ny zaza hanatona Ahy." - Mar. 10:13,14.

Tamin'ny toe-javatra hafa indray, rehefa nitady izay hiampangana an'i Jesôsy ho mpandika ny Sabata ny Fariseo noho ny nanasitranany olona tamin'izany andro izany, dia nanontany azy ireo i Jesôsy hoe: "Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty?" Mar. 3:4. "Nijerijery azy tamin'ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin'ny fony" avy eo dia nositraniny ilay lehilahy (and. 5). Ny hamafin'ny fon'izy ireo no nampalahelo an'i Kristy ka nahatezitra Azy. Hatezerana ara-drariny vokatry ny fitiavana, tsy misy hafa amin'ny fahatezeran'Andriamanitra ao amin'ny TT izany. Tsy tokony ho tezitra amin'ny ratsy ve ny fitiavana, indrindra raha ny "zavatra" tiany no asiana ratsy?

Ahoana no hitandremantsika mba tsy hiezaka hanamarina ny fahatezerantsika feno fitiavan-tena ho toy ny "fahatezerana ara-drariny"? Nahoana no mora tokoa ny ho latsaka amin'izany? Ahoana no hiarovantsika tena tsy ho tratr'izany fandrika tsara afina izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal