Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Manome alahelo azy ny faharatsiana

Daty
Alahady 26 January 2025

Tia ny marina ary mankahala ny ratsy Ilay Andriamanitra ao amin'ny Baiboly. Koa manetsika lalina ny fihetseham-pony ny fahotana sy ny faharatsiana izay mampahory sy mampijaly ny olona, eny, na dia rehefa ny ratsy ataon'ny olona ihany aza no mahavoa azy. Halan'Andriamanitra ny ratsy satria mampahory ny voariny mandrakariva izany. Araka ny tantara ao amin'ny Baiboly dia mihantsy matetika ny fahatezeran Andriamanitra ilay antsoin'ireo mpandinika ny Baiboly hoe: "fitsingerin'ny fikomiana" ("cycle of rebellion"). Toy izao manaraka izao izany fitsingerin'ny fikomiana izany:

Mikomy amin'Andriamanitra ny olona ary manao ratsy, indraindray aza zava-doza mahatsiravina no ataony, toy ny fanaovana sorona zazakely sy fahavetavetana hafa koa eo imasony.

Miala Andriamanitra arakaraka ny fanapahan-kevitry ny vahoaka.

Ampahorin'ny firenen-kafa ny vahoaka.

Mitalaho fanafahana amin'Andriamanitra ny vahoaka.

Mamonjy azy ireo amim-pitiavana Andriamanitra.

Mikomy amin'Andriamanitra indray ny vahoaka, ary amin'ny fomba sahisahy kokoa noho ny teo aloha aza.

Eo anatrehan'ny fiverimberenan'izany faharatsiana sy tsy fahatokiana miharihary izany anefa dia fahatokiana, fahari-po sy faharetana tsy misy fetra, fahasoavana mahatalanjona, ary fangorahana lalina, no asetrin'Andriamanitra ny tsy fahatokian'ny olombelona.

Vakio ny Sal. 78. Inona no ambaran'io Salamo io momba ny fihetsik'Andriamanitra eo anatrehan'ny fikomiana miverimberina ataon'ny vahoakany?

Mifamatotra ny fitiavana sy ny fahamarinana, araka ny Baiboly. Mitombina ny fahatezeran Andriamanitra eo anatrehan'ny faharatsiana satria mampijaly mandrakariva ireo izay tian'Andriamanitra izany. Tsy hita velively ao amin'ny Baiboly izany hoe Andriamanitra tezitezi-poana na tsy an-drariny izany.

Na nandao sy niodina Taminy matetika aza ny vahoakany, dia mbola nangoraka azy ireo hatrany tamin'ny fahari-po Andriamanitra, mihoatra lavitra noho izay rehetra azony antenaina aza (Neh. 9:7-33). Maneho ny halalin'ny fitiavan'Andriamanitra be famindrampo sy ny fiantrany ny olona amim-paharetana tsy takatry ny saina izany. Izany indrindra no voalaza ao amin'ny Sal. 78:38 hoe: "Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany."

Azo antoka fa efa tezitra noho ny hasomparana atao amin'ny hafa ianao. Ahoana no anampian'izany fihetsehamponao izany anao hahatakatra mazava kokoa ny fahatezeran' Andriamanitra eo anatrehan'ny faharatsiana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal