Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Ilay vehivavy teo am-patsakana

Daty
Alatsinainy 28 October 2024

Vakio ny Jao. 4:7-15. Ahoana no nampiasan'i Jesôsy io fihaonana io mba hanombohana fijoroana ho vavolombelona tamin'ilay vehivavy?

"Nanakana an'ilay vehivavy tsy hanolotra izany fahasoavana izany ho an'i Jesôsy ny fifankahalana nisy tamin'ny Jiosy sy ny Samaritana, nefa niezaka ny hahita ny fanalahidy hanokatra io fo io Jesôsy, ka tamin'ny fahaizana nateraky ny fitiavan'Andriamanitra, dia nangataka fahasoavana Izy fa tsy nanolotra fahasoavana. Nety ho nolavina ny fahasoavana natolotra, fa ny fitokisana kosa miantso fitokisana." - IFM, t. 136, ed. 2023.

Fantatr'i Jesôsy izay ao am-pon'ny hafa, tahaka izay niseho tamin'ny fihaonany tamin'i Nikôdernosy. Ho setrin'ny fahatairan'ilay vehivavy noho ny amin'ny Jiosy iray nangataka fanampiana avy tamin'ny Samaritana anankiray, dia novantanin'i Jesôsy ny resaka: "Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia hianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona." - Jao. 4:10.

Tahaka ny valintenin'i Nikôdemosy raha niresahan'i Jesôsy mikasika ny fahateraham-baovao ny valin-tenin'ilay vehivavy, izay nanontany hoe: "Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?" - Jao. 3:9. Hoy ravehivavy: "Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?" - Jao. 4:11. Samy nampitodihan'i Jesôsy hifantoka tamin'ny fahamarinana ara-panahy ambony indrindra izay nilain'ny tsirairay avy tamin'izy ireo ho heno sy ho takatra ilay mpampianatra Jiosy fanta-daza sy ilay vehivavy Samaritana nanana toetra misalasala. Tao amin'ny toerana nisy azy ireo tsirairay dia nitovy ny zavatra nambaran'i Jesôsy taminy: nila ny fanandraman'ny fiovam-po izy ireo.

Inona ny tantara fototra ao amin'ny Testamenta Taloha izay iorenan'ny fanambaran'i Jesôsy momba ny rano velona? (Jer. 2:13; Zak. 14:8. Sarobidy eo amin'ny fiainana tokoa ny rano; tsy afaka hiaina tsy misy azy ny olombelona; amin'izany no mahatonga ny rano ho sary mety indrindra hanehoana ny fiainana mandrakizay. Hoy i Jesôsy: "fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay." - Jao. 4:14.

Vakio ny Jao. 7:37,38. Inona no ambaran'i Jesôsy amintsika ao anatin'ireo andalan-teny ireo, ary ahoana no hiainantsika ny fanandramana izay ampanantenainy eto? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal