Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 7

Daty
Talata 29 April 2025

Naseho tamin'ny mpanjaka babilonianina iray aloha ny nofy ao amin'ny Dan. 2. Fa ny nofy ao amin'ny Dan. 7 kosa dia naseho tamin'ny mpaminany hebreo iray, izay isan'ny vahoakan'ny fanekena.

Ilay lohahevitra naseho an'i Nebokadnezara ihany no naseho an'i Daniela, saingy tamin'ny fomba hafa. Tsy sariolona no hitany fa firenena nifandimby niakatra avy tao amin'ny ranomasina, izay nasamboaravoaran'ny rivotra. Nisy ady mandrakariva teo amin'izy ireo ka nahatonga fiovaovana hatrany teo amin'ny fahefany. Oharina amin'ny tondra-drano sy ny onjan-dranomasina ny fihahohahon'ny firenena ao amin'ny Sal. 65:5-8, Isa. 17:12, 13 sy Jer. 46:7,8.

Ny Tany nampanantenaina anefa dia nisy tokoa nandritra ny fotoana voafaritra, toy ny nosy feno fiadanana sy fandriam-pahalemana teo anivon'ny ranomasin'ireo fanjakana jentilisa firenena masina mipetraka eo amin'ny fanorenana mafin'ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, mifanohitra amin'ireo firenena maditra manodidina azy.

Vakio ny Dan. 7:1-3. Misy fiovaovana betsaka ny toe-javatra eto. Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'ny sary aseho eto, toy ilay biby voalohany niakatra avy tamin'ny ranomasina, ohatra?

Raha mbola nitazana avy teny amorony ny fisafotofoton'ny adin'ny Jentilisa i Daniela, dia nanomboka niakatra an-tanety ireo biby ireo-tonga teo amin'ny tany nisy azy! (jereo koa ny Dan. 8) Nanjary olan'ny vahoaka mpiray firenena aminy koa ny olan'ny Jentilisa. Nifidy hiaina toy ny Jentilisa izy ireo, koa dia hiara-miaina amin'ny Jentilisa tokoa (sy eo ambanin'ny fahefany). Hatramin'ny fotoana nanjakan'ny Babiloniana dia tsy nahazo fahaleovantena tanteraka na maharitra intsony ny vahoaka voafidin'Andriamanitra.

Haharitra hatramin'ny andro farany io fahaverezan'ny fahaleovantenan'ny vahoakan'Andriamanitra io, mandra-pametrahana an'i Kristy eo amin'ny toeram-boninahitra mendrika Azy, amin'ny maha-Mpanjaka Azy. Niari-pahoriana hatrany ny vahoakan'Andriamanitra tao amin'ny TV, teo ambanin'ny fahefan'ny fanjakana romanina, ary avy eo nandritra ny fanenjehana nataon'ilay tandroka kely, izay fanjakana nandimby an'i Rôma jentilisa.

Na nisy firenena tsara noho ny sasany aza teo amin'ny tantara, ary vanim-potoana milamina kokoa noho ny sasany, ny tantaran'ireo firenena, vahoaka, ary fanjakana ankapobeny dia tsy ahitana afa-tsy fialana amin'ny loza iray ho amin'ny loza iray hafa, fialana amin'ny mpampahory iray ho amin'ny mpampahory iray hafa. Ary matetika mpitondra milaza ny tenany ho manana fikasana tsara indrindra ho an'ny vahoakany no manao izany rehetra izany. Mifanipaka tanteraka amin'ny fitondrana izay nirin'Andriamanitra hitantanana ny vahoakany izany; raha mba nifidy azy mantsy izy ireo!

Ahoana no anazavan'ny Rôm. 3:10-19 ny ankamaroan'ny zava-mitranga eto amin'izao tontolo izao? Ahoana no anehoan'ny and. 19 manokana ny antony ilantsika indrindra ny filazantsara eo amin'ny fiainantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal