Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.

Daty
Alarobia 29 April 2026

Maro ny fomba ahafahantsika mianatra ny Baiboly. toy ny fandinihana andininy tsirairay (efa voaresaka etsy ambony), ny fandalinana toko iray na lohahevitra iray, ny fandinihana teny iray na boky iray. Azontsika atao ny mandalina konkordansa na koa ny rakibolana momba ny Baiboly, ary azo atao ny mamaky Baiboly miaraka amin'ireo boky fanahin'ny faminaniana ho fanampin-kevitra. Azo atao koa ny mivoaka eny anivon'ny zavaboary ary mihaino ny Baiboly vakina, na koa mihaona amin'ny namana na vondrona kely mba hiara-mianatra Baiboly.

Ho fihazonantsika ny fisakaizantsika amin'ny hafa ho velona dia manao hetsika samihafa sy zava-baovao isika. Tahaka izany koa no tokony hihazonantsika ny fotoana ifanaovantsika amin'Andriamanitra isan'andro ho vaovao sy velona tsara amin'ny aialan'ny fomba samihafa andinihana ny Baiboly. Maro mandrakariva ny lesona azontsika ianarana ao! 

Zavatra iray mety hamelombelona ny fotoana fianaranao Baiboly ny fizarana amin'ny hafa ny lesona voarainao. Rehefa hazavainao izay nianaranao, dia mampitoetra izany ao an-tsaina ny famintinanao sy ny fandravonana azy. Izany no manampy antsika hitadidy ny fahalalana. Ny fitahiana roa sosona dia ny fizarantsika amin'ny hafa sy ny fifanakalozantsika hevitra aminy; hanentana sy hampahery anareo roa tonta ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny zava-panahy. Matetika amin'ny fizarana amin'ny hafa na ny fampianarana azy no ahafahan'ny saintsika mandalin-javatra indrindra.

Ho hitanao koa fa ny zavatra ianaranao isan'andro dia tsy hafatr'Andriamanitra ho anao irery fa ho an'ny hafa koa.

Vakio ny Isa. 50:4, inona no ambaran'ireo andalan-teny ireo amintsika momba ny fifandraisana amin'Andriamanitra sy ny mety ho fiantraikan'izany eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa? 

Ny fotoana manokana ianarantsika Baiboly dia tsy mampahatanjaka antsika fotsiny fa manampy antsika koa hampahery ny olona izay mifanena amintsika mandritra ny tontolo andro. Mety ho fitahiana roa sosona izany.

Hazakazaka lavitra ezaka ny fiainantsika ara-panahy. Angataho ny Tompo hanampy anao haharitra eo am-pihazakazahana, ka hibanjina ny marika hotratrarina ny masonao (Fil. 3:14). Aza kivy raha somary nitaredretra nandritra ny fotoana fohy ianao, fa ataovy izay fanovana tokony hatao eo amin'ny fiainanao mba hihazonana ny fifandraisanao ho velona, indrindra indrindra ny fotoana manokana ianaranao Baiboly sy ivavahanao. Fa ny fiainana mandrakizay dia ny hahafantarantsika an'Andriamanitra izao ankehitriny izao (Jao. 17:3). Manova fiainana ny fanolorantsika tena isan'andro mba hitoetra ao Aminy sy ao amin'ny Teniny.

Vakio ny tsianjery amin'ity herinandro ity ary diniho ny heviny. Inona no ianaranao amin'izao fotoana izao? Iza no azonao izarana izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal