Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.

Daty
Alahady 27 July 2025

Hoy ny mpaminany Amosa: "Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony" - Amô. 3:7, ary tamin'ny alalan'i Mosesy mpaminany no nanambaran'Andriamanitra tamin'i Farao izay ho avy manaraka. Nomena fampitandremana mafy i Farao. Fitsarana marina atao amin'ny avonavona, ny fanararaotana, ny herisetra, ary ny fanompoan-tsampy izany, ary ireo rehetra ireo no nahatonga ireo loza ireo tao Egypta.

Vakio ny Eks. 11:1-10. Inona ny fampitandremana nomen'Andriamanitra talohan'ny nampiharany ny fitsarana tao Egypta?

Nomen'Andriamanitra fotoana i Egypta telo andro tao anatin'ny aizina (Eks. 10:23)-mba hisaintsainana momba izay nitranga vao tsy ela, sy ny hevitr'izany. Nomeny fampitandremana mazava farany koa izy ireo, fahafahana farany hanaovany izay tokony hatao.

Saingy voalaza ao amin'ny Eks. 11:8 fa "niala teo amin'i Farao tamin'ny fahatezerana mirehitra Mosesy." Nahoana i Mosesy no niala tamim-pahatezerana? Azo inoana fa satria fantany fa hamely olona tsy manan-tsiny maro ny loza, dia ny loza fahafolo, noho ny hamafin'ny fon'i Farao.

Ankoatra izany, ny isa folo dia manan-danja eo amin'ny tandindona ara-Baiboly. Maneho fahafenoana na fahatanterahana ny isa 10. (Saino ohatra ny Didy Folo, izay fanambarana feno ny lalana ara-pitondrantena avy amin'Andriamanitra.) Ny loza folo tany Egypta dia manondro ny fanehoan'Andriamanitra amin'ny fahafenoany ny fahamarinany sy ny famaliany.

Andriamanitra no Mpitsara, ary manohitra ny avonavona, ny tsy rariny, ny fanavakavahana, ny fireharehana, ny fanararaotana, ny halozana, ary ny fitiavan-tena Izy. Miandany amin'ireo mijaly, iharan'ny herisetra, ampijaliana ary enjehina Izy. Hampanjaka ny rariny Andriamanitra, izay endrika iray tena anehoany ny fitiavany koa. (Jereo ny Sal. 2:12, Sal. 33:5, Sal. 85:11, Sal. 89:14, Sal. 101:1, Isa. 16:5, Jer. 9:24.)

Tokony hanao ny ezaka rehetra koa isika mba ho sady be fitiavana no marina. Saingy mora amintsika ny manao tahafoatra ny amin'ny lafiny iray, ary kely loatra ny amin'ny lafiny iray. Noho ny "fitiavana", ohatra, dia manakimpy ny masontsika eo anatrehan'ny tsy mety isika, dia izay mila ahitsy. Na koa, mampanjaka ny rariny amin'ny fomba feno fangatsiahana isika, toy ny hoe mafy tahaka ny vy izany. Tsy mety ireo fomba roa tafahoatra ireo. Fa izao kosa no tsara indrindra: "(...) efa naseho anao izay tsara sy izay ilain'i Jehôvah aminao, dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ho tia famindrampo Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena." - Mika 6:8.

Raha tsy haintsika ny mandanjalanja tsara izany (ary tena tsy haintsika izany), nahoana no aleo manao tafahoatra amin'ny famindram-po toy izay ny rariny? Sa tsy mety koa izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal