Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: PASKA - Pechah.

Daty
Talata 29 July 2025

Vakio ny Eks. 12:17-23. Inona no anjara tanan'ny ra ao amin'ny fankalazana io andro firavoravoana vaovao io?

Singa manan-danja ny ran'ny biby atao fanatitra ao amin'ity fankalazana ity. Samy nanentina ny tolam-baravaran'ny tranony tamin'ny ran-janak'ondry novonoina, ireo izay nandray anjara tamin'io andro firavoravoana io. Toy izany no nanehoany ny finoany an'Andriamanitra, dia ny finoany fa hanafaka azy amin'ny loza miandry ireo izay tsy voarakotry ny ra Izy.

Fanehoana mahery vaika ny Filazantsara tokoa izany!

Tsy maintsy ho tsy misy kilema ilay zanak'ondrin'ny Paska, satria nanondro an'i Jesôsy Kristy izy, dia llay "Zanak'ondrin' Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" - Jao. 1:29. Nanana anjara toerana lehibe ny ran'ilay biby: naneho fiarovana izany, ary famantarana maneho fiainana amin'ny fotoan'ny fahafatesana.

"Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho." - Eks. 12:13.

Mifandray amin'ny fankalazana ny Paska ny filazantsara manontolo satria tsy vitan'ny manondro ny fanafahana amin'ny fanandevozana sy ny fizorana ho any amin'ny Tany Nampanantenaina izany, fa maneho koa ny sorona nataon'i Jesôsy Kristy noho ny fahotantsika, sy ny fanomezany ny fahamendrehany ho an'izay rehetra voarakotry ny rany.

Taonjato maro taty aoriana dia nanoratra toy izao i Paoly momba io fankalazana io: "Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika." - 1 Kôr. 5:7.

Nampiasaina hanamboarana koba isan-karazany ny lalivay na ny masirasira. Tamin'ny fotoana nanamboarana ny mofo tsy misy masirasira, ny alina talohan'ny nivoahan'ny Isiraelita tao Egypta, no iresahana voalohany izany ao amin'ny Baiboly. Tsy maintsy nesorina tsy ho ao an-tranon'izy ireo koa ny masirasira (Eks. 12:8, 15-20; Eks. 13:3-7). Ao anatin'io tontolon-kevitra io manokana, ny masirasira dia tandindon'ny fahotana (1 Kôr. 5:6-8); koa tsy azo nampiasaina izany mandritra ny fankalazana ny Paska mandritra ny herinandro.

Tandindon'ny Mesia tsy manan-tsiny, izay nandresy ny fakam-panahy rehetra ary nanolotra ny ainy ho antsika, ny mofo tsy misy masirasira (Jao. 1:29; 1 Kôr. 5:7; Heb. 4:15). Ny "hysopa iray fihina" izay natsoboka tao amin'ny ra, dia maneho ny fahasoavan Andriamanitra manadio (Sal. 51:7). Raha fintinina dia voaseho mandritra ny Pesach manontolo ny asa fanavotana nataon'i Jesôsy .

Ny ran'i Jesôsy , Izay Andriamanitra mihitsy, no nilaina mba hanavotana antsika noho ny fahotantsika. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny haratsin'ny fahotana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal