Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: ANDRIAMANITRA TIA NY RARINY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 07 February 2025

Manaiky hankatò ny didin'Andriamanitra MF, 1. 47

Vakio "Ny fitiavan'Andriamanitra ny olona", toko voalohany ao amin'ny DHK.

"Ny tenin'Andriamanitra dia mampiseho ny toetrany. Ary ny Tenany ihany aza no nanambara ny fitiavany sy ny famindrampony tsy misy fetra. Raha nivavaka i Mosesy nanao hoe: 'mba ampahitao ny voninahitrao aho, 'dia hoy i Jehôvah : 'Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao-Eks. 33:18,19. Ary rehefa nandalo teo anatrehan'i Mosesy Jehôvah dia niantso hoe: Jehôvah , Jehôvah , Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana - Eks. 34:6,7. Tsy mora tezitra sady be indrafo Izy, satria 'tia famindram-po'. - Jônà 2:2; Mika 7:18.

Na any an-danitra, na ety an-tany, dia maro tokoa ireo antoky ny hamoram- pon'Andriamanitra izay omeny antsika. Tamin'ny alalan'ny zavaboary sy ny fanehoam- pitiavana fatratra sy lalina indrindra, izay mety ho fantatr'olombelona, no nitadiavany hanehoana ny Tenany tamintsika. Kanefa na dia ireny aza dia tsy tanteraka hoenti- mampiseho ny fitiavan’Andriamanitra.

Fa na dia tao aza izany rehetra izany, ny fahavalon'ny fahatsarana dia efa nanajamba ny sain'ny olombelona, ka dia tamin-tahotra no nanatonan'ny olona an'Andriamanitra, sady noheveriny ho masiaka sy tsy mamela heloka Izy. Efa notarihin’i Satana ny olona hihevitra an'Andriamanitra ho henjan-doatra amin'ny fahamarinana, na toy ny mpitsara masiaka, na tompon-trosa lozabe sady tsy azo ifonana. Nasehony fa Andriamanitra dia tahaka ny olona mikendry tohina hahita ny tsiny sy ny fahadisoan'ny olona mba hahazoany mamely sy mitsara azy. Ary ny hanala izany aloka mainty izany, ka hampiseho amin’izao tontolo izao ny fitiavan’Andriamanitra tsy manam-petra, no nahatongavan'i Jesôsy hiara- monina tamin'ny olombelona." - DHK, tt. 8, 9 (ed. 2018).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nahoana no zava-dehibe ny fanekena fa tsy afa-misaraka amin'ny fahatsaran'Andriamanitra ny voninahiny? Ahoana no hanitsian'izany ny fampianarana momba ny voninahitra izay manasongadina ny fahefana fa tsy ny fitiavan'Andriamanitra sy ny toetrany?

2. Efa nisalasala ny amin'ny fahatsaran'Andriamanitra ve ianao? Mahafantatra olona izay nisalasala ny amin'ny fahatsaran'Andriamanitra ve lanao, noho ny zavatra ataon'ireo mitonona ho mpanara-dia an'Andriamanitra na koa noho ny faharatsiana rehetra misy eto amin'izao tontolo izao? Nanao ahoana ny niatrehanao manokana izany fanontaniana izany, ary ahoana no mety hanampianao ny olona iray mametra-panontaniana raha toa tsara tokoa Andriamanitra? Jereo ny lesona amin'ny herinandro.

3. Velabelaro ny valintenin'ny fanontaniana ao amin'ny fizarana Alatsinainy. Ahoana no anampian'ny maha-zava-misy marina ny fifanandrinana lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy antsika hahatakatra ireo zava-dratsy rehetra misy ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal