Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: ANDRIAMANITRA TIA NY RARINY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 07 February 2025

Manaiky hankatò ny didin'Andriamanitra MF, 1. 47

Vakio "Ny fitiavan'Andriamanitra ny olona", toko voalohany ao amin'ny DHK.

"Ny tenin'Andriamanitra dia mampiseho ny toetrany. Ary ny Tenany ihany aza no nanambara ny fitiavany sy ny famindrampony tsy misy fetra. Raha nivavaka i Mosesy nanao hoe: 'mba ampahitao ny voninahitrao aho, 'dia hoy i Jehôvah : 'Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao-Eks. 33:18,19. Ary rehefa nandalo teo anatrehan'i Mosesy Jehôvah dia niantso hoe: Jehôvah , Jehôvah , Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana - Eks. 34:6,7. Tsy mora tezitra sady be indrafo Izy, satria 'tia famindram-po'. - Jônà 2:2; Mika 7:18.

Na any an-danitra, na ety an-tany, dia maro tokoa ireo antoky ny hamoram- pon'Andriamanitra izay omeny antsika. Tamin'ny alalan'ny zavaboary sy ny fanehoam- pitiavana fatratra sy lalina indrindra, izay mety ho fantatr'olombelona, no nitadiavany hanehoana ny Tenany tamintsika. Kanefa na dia ireny aza dia tsy tanteraka hoenti- mampiseho ny fitiavan’Andriamanitra.

Fa na dia tao aza izany rehetra izany, ny fahavalon'ny fahatsarana dia efa nanajamba ny sain'ny olombelona, ka dia tamin-tahotra no nanatonan'ny olona an'Andriamanitra, sady noheveriny ho masiaka sy tsy mamela heloka Izy. Efa notarihin’i Satana ny olona hihevitra an'Andriamanitra ho henjan-doatra amin'ny fahamarinana, na toy ny mpitsara masiaka, na tompon-trosa lozabe sady tsy azo ifonana. Nasehony fa Andriamanitra dia tahaka ny olona mikendry tohina hahita ny tsiny sy ny fahadisoan'ny olona mba hahazoany mamely sy mitsara azy. Ary ny hanala izany aloka mainty izany, ka hampiseho amin’izao tontolo izao ny fitiavan’Andriamanitra tsy manam-petra, no nahatongavan'i Jesôsy hiara- monina tamin'ny olombelona." - DHK, tt. 8, 9 (ed. 2018).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nahoana no zava-dehibe ny fanekena fa tsy afa-misaraka amin'ny fahatsaran'Andriamanitra ny voninahiny? Ahoana no hanitsian'izany ny fampianarana momba ny voninahitra izay manasongadina ny fahefana fa tsy ny fitiavan'Andriamanitra sy ny toetrany?

2. Efa nisalasala ny amin'ny fahatsaran'Andriamanitra ve ianao? Mahafantatra olona izay nisalasala ny amin'ny fahatsaran'Andriamanitra ve lanao, noho ny zavatra ataon'ireo mitonona ho mpanara-dia an'Andriamanitra na koa noho ny faharatsiana rehetra misy eto amin'izao tontolo izao? Nanao ahoana ny niatrehanao manokana izany fanontaniana izany, ary ahoana no mety hanampianao ny olona iray mametra-panontaniana raha toa tsara tokoa Andriamanitra? Jereo ny lesona amin'ny herinandro.

3. Velabelaro ny valintenin'ny fanontaniana ao amin'ny fizarana Alatsinainy. Ahoana no anampian'ny maha-zava-misy marina ny fifanandrinana lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy antsika hahatakatra ireo zava-dratsy rehetra misy ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal