Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FANAMBARANA MARO MOMBA AN’I JESÔSY - Fanetren-tena: manao fanambarana indray i Jaona Mpanao batisa

Daty
Alahady 03 November 2024

Voazava ao amin'ny lesona 2 fa nahataona ireo mpianatra voalohany — i Andrea sy i Jaona, i Petera, i Filipo sy i Natanaela - ho eo amin'i Jesôsy ny fanambarana nataon'i Jaona mpanao batisa. Mety hihevitra isika fa efa nanao ny fanambarany i Jaona mpanao batisa ka hatreo ihany ny anjarany ao amin'ny tantara. Tsy izany anefa fa mbola voaresaka miverimberina ny momba azy ao amin'ny filazantsaran'i Jaona. 

Vakio ny Jao. 3:25-36. Toy ny ahoana no ampitahan'i Jaona mpanao batisa ny tenany amin'i Jesôsy ?

Nisy fifandirana teo amin'ny mpianatr'i Jaona sy ny Jiosy anankiray momba ny fanadiovana; azo inoana fa mikasika ny fanaovam-batisa izany (ampitahao amin'ny Mar. 1:4,5). Mahaliana fa rehefa nanatona an'i Jaona ny mpianany, tsy isalasalana fa ny mba hitady vahaolana, dia nitoroka an'i Jesôsy izy ireo nanao hoe: "Raby ô, llay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy."— Jao. 3:26. Tsy sarotra ny maminavina ny tao an-tsain'izy ireo: nialona an'i Jesôsy izy, noho ny amin'ny tompony sy ny tenany.

Azon'i Jaona natao koa ny nampanjaka ny fialonana tao am-pony, saingy tsy nataony izany satria fantany ny asa nanirahana azy. Nampahatsiahiviny ny mpianany kosa fa tsy mbola nilaza velively izy fa ny tenany no Kristy. Ny mifanohitra amin'izany aza, ny hampitodika ny olona ho any amin'i Kristy, ny hanomana lalana ho Azy, ny ho vavolombelona hanambara Azy (Jao. 1:6-8), no nahatongavany.

Nampiasa sary an'ohatra momba ny fampakarana izy ka "sakaizan'ny mpampakatra" no ilazany ny tenany, ary i Jesôsy no "mpampakatra". Inoana fa ny vahoakan'Andriamanitra no "ampakarina"(ampitahao amin'ny Hôs. 2:16-23; Isa. 62:1-5). Ary izao teniny izao no mampiseho ny tena fahalehibiazan'i Jaona: "Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena" hoy izy — Jao. 3:30.

Mitohy ny fampitahana an'i Jaona sy i Jesôsy ao amin'ny Jao. 3:31-36, izay maneho ny fahambonian'ny Mesia raha miolotra amin'ny mpialoha IalanaAzy. Vokatry nyfanambaran'i Jaona izay manondro an'i Jesôsy, dia misongadina indray ny Ianjan'ny fanambarana. Izay mandray ny fanambarana ka mino an'i Jesôsy no manana ny fiainana mandrakizay. Izay tsy mandrayAzy kosa dia mitoetra eo ambanin'ny fahatezeran'Andriamanitra. Voasoratra izany. Tian'Andriamanitra tokoa izao tontolo izao ka nirahiny ny Zanany hanavotra izao tontolo izao (Jao. 3:16,17). Izay manda ny fanomezana atolotra azy kosa dia tsy maintsy handoa ny sazin'ny fahotan'ny tenany — dia ny fahafatesana mandrakizay.

Ahoana no hianarantsika ny leson'ny fanetren-tena eo anatrehan'Andriamanitra sy eo anatrehan'ny olona? Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'ny oha-piainan'i Jaona eto momba ny fanetren-tena.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (74)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal