Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FANAMBARANA MARO MOMBA AN’I JESÔSY - Fisainana vaovao momba ny Mesia

Daty
Alatsinainy 04 November 2024

Vakio ny Jao. 1:32-36. Inona no ambaran'i Jaona eto momba an'i Jesôsy, izay tsy nampoizin'ny olona mikasika Ilay Mesia efa nandrasany ela?

Mesia hanafaka azy amin'ny fanapahan'i Rôma no nantenain'ny Jiosy. Nampahorina ela ny Jiosy ka nino fa tsy handrava fotsiny ny fahefan'i Rôma ny Mesia fa hampiorina azy ireo ho firenena lehibe sy matanjaka koa. Ny tenin'i Jaona nilaza an'i Jesôsy ho "Zanak'ondrin'Andriamanitra"anefa, na nanondro mivantana aza izany fa tsy maintsy hanao sorona ny ainy ho fanavotana Izy, dia azo lazaina fa tsy takatry ny ankamaroan'ny olona. Tsy nisy fantatr'izy ireo akory aza angamba izay nolazainy.

Noho izany dia nirin'i Jaona ny hanova ny fisainan'izy ireo momba ny Mesia mba ho hitany ao amin'i Jesôsy ny fahatanterahan'ny faminaniana momba Ilay Mpanjaka ho avy sy ny asany. Tsy tonga amin'ny maha-mpanao pôlitika na mpitari-tafika Azy Izy fa mba hanolotra ny Tenany ho sorona noho ny fahotan'izao tontolo izao. Izany no tanjony. Aorian'izany, rehefa vita ny zavatra rehetra, vao ho tonga ny fanjakany amin'ny farany (jereo ny Dan. 7:18).

Tamin'ny batisan'i Jesôsy, raha nanondro Azy amin'ny maha-Zanak'ondrin'Andriamanitra Azy i Jaona, dia nisy fahazavana vaovao izay nitosaka teo amin'ny asan'ny Mesia. Notarihina teo amin'ny tenin’ lsaia ny sain'ny mpaminany dia Ilay manao hoe: 'Tahaka ny Zanak'ondry entina hovonoina.'"— IFM, t. 96 (ed. 2023).

Hoy i Jaona mpanao batisa ao amin'ny Jao. 1:31: "izaho tsy nahalala Azy". Koa ahoana ary no nahafantarany fa i Jesôsy no Mesia? Izao no valiny: Andriamanitra Izay naniraka an'i Jaona mpanao batisa no efa nilaza taminy mialoha hoe: "Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra." — Jao. 1:33,34. Izany hoe, nambaran'Andriamanitra an'i Jaona fa i Jesôsy no Mesia.

"Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra", no voasoratra ao amin'ny 1 Kôr. 1:24. Avy amin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahiny Masina mandresy lahatra, ny fahalalana an'i Jesôsy ho Kristy. Hita miverimberina ao amin'ny Jaona io lohahevitra io. Tsy avy amin'ny filôzôfia, na siansa, na fianarana ambony araka izao tontolo izao ny famonjena. Avy amin'Andriamanitra irery ihany izany, omeny izay manana fo manolo-tena amim-pinoana sy fankatoavana an'i Jesôsy.

Ahoana no mety hahafantarantsika ny fahamarinana momba an'i Jesôsy, ILay sorona nanavotana antsika, raha tsy nambara tamintsika izany? Nahoana, araka izany, no tena zava-dehibe tokoa ny fahafantarana ny Baiboly sy izay ampianariny momba an'i Jesôsy? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (48)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal