Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 09 May 2025

Mazava ny voalazan'ny Soratra Masina fa i Kristy irery ihany no mendrika hanatanteraka ny famonjena antsika. Ny fiainany no hany fiainan'olombelona tsy voapentin'ota, ohatra amin'ny fiainana izay nanome voninahitra tanteraka an'Andriamanitra Ray. Izy no Zanak'ondrin'Andriamanitra tsy misy kilema, ary ankehitriny dia mijoro amin'ny maha-Lohan'ny taranak'olombelona Azy Izy, ho antoka mandrakizay ho antsika. Ary nitondra ny helotsika koa Izy ka nahafa-po ny fitsarana izay tsy maintsy nasetrin Andriamanitra ny faharatsiana. Raha mbola talanjona nijery ireo zava-manana aina tany an-danitra nanodidina ny seza fiandrianan'Andriamanitra i Jaona, dia nilazana mba tsy hitomany intsony satria "ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda (...) dia efa naharesy" - Apôk. 5:5.

Saino koa ny maharatsy ny fahotana sy ny halalin'ny fahalavoan'ny olombelona, hany ka tsy nisy vahaolana ho an'izany afa-tsy ny fahafatesan'i Jesosy, dia Andriamanitra mihitsy. Inoana fa raha nahita fomba hafa azo namonjena antsika Andriamanitra, fomba izay tsy mandika ireo fitsipiky ny fitondram-panjakany, dia izany no ho nampiasainy.

"Nitady ny ain'ny mpandika azy ny didin'i Jehôvah nohitsakitsahina. Masina toa an'Andriamanitra mihitsy izany didy izany, ka tsy maintsy izay mitovy aminy no atolotra mba ho fanavotana ny olona sy hampihavana azy indray amin'Andriamanitra, Ilay Tompon'ny voninahitra sy Mpitarika ny tafiky ny lanitra rehetra, Izy no mitovy amin'Andriamanitra. Mba hahazoany manatanteraka izany adidy izany, dia tsy maintsy mandray ao amin'ny tenany ny heloka sy ny mariky ny fahotana Izy, hidina hatrany amin'izay farany ambany indrindra amin'ny fahafaham-baraka ka hosarahina amin'ny Ray (...) ka dia nanaiky hanao ny fanavotana Izy sy hiaritra ny loza rehetra vokatr'izany." -PM, t. 41.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Toy ny efa "voavono" no nahitan'i Jaona ilay zanak'ondry teo amin'ny seza fiandrianana. Hitantsika ao amin'ny Apôk. 13:8 fa "voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao" i Jesôsy. Raha efa vonona talohan'ny nilantsika azy ny drafi-pamonjena, araka izany, inona no ambaran'izany momba an'Andriamanitra?

2. Maro amin'ireo tsy mino ny fisian'Andriamanitra ("athée") no milaza fa isika dia ao anatin'ny tontolo iray lehibe mangatsiaka, tsy misy mpihevitra, ary tsy misy ankoatra antsika. Ny Baiboly anefa tsy vitan'ny miresaka momba an'Andriamanitra fa milaza ny amin'ny fitiavany izao tontolo izao koa, hany ka nidina teo aminy mihitsy Izy, ary nahafoy ny ainy ho azy aza. Tokony hanao ahoana ny fomba fijerintsika izao tontolo izao sy ny toerana misy antsika ao anatin'izany, raha mitaha amin'ny an'ireo tsy mino an'Andriamanitra mihitsy? Izany hoe, amin'ny maha-zava-misy marina ny hazo fijaliana, inona no tokony ho akon'izany eo amin'izay rehetra ataontsika?

3. Nahoana no tsy nisy fomba azo namonjena ny taranak'olombelona afa-tsy ny fiainan'i Kristy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty? Eto indray, ahoana no anehoan'izany vidiny lafo dia lafo izany ny tena maharatsy ny fahotana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal