Vakio ny Jer. 36:20-26. Inona no niseho tao an-dapa, ary ahoana no nasetrin'ireo mpitarika ny fampitandremana ny mpaminany?
I Jeremia no mpitondratenin'Andriamanitra ho an'ny firenen'i Joda raha nandindona azy ireo ny fahoriana sy ny loza. Nandritra ny taona maro no nanomezan'Andriamanitra fampitandremana ho azy ireo, tamin'ny alalan'i Jeremia, izay nilazany fa tsy sitrany ny lalan'izy ireo. Tamin'izany no nilazany fa handresy azy ireo i Babylona ary hitondra azy ho babo (Jer. 6:8-19; Jer. 26). Nitady hamonjena azy ireo i Jehovah, fa ny fankatoavana kosa no fepetran'izany.
Marobe ny fahotan'ny firenen'i Joda, niharihary izany ary tsy nahitana fiovana. Zavatra nahazatra ny olona tamin'ny andron'i Jeremia ny fanompoan-tsampy, ny fanaovana sorona zazakely, ny fijangajangana ary ny fampahoriana ny hafa. Kanefa tsy mba nohenoina ny fampitandremana sy ny antson'io mpaminany io. Rehefa akaiky hifarana ny asa maha mpaminany an'i Jeremia, dia nihadodona ny antso nataon'Andriamanitra ho an'ireo zanany nania, ary ny ezaka rehetra nataony dia nokendrena ho amin'ny famonjena azy ireo. Ao amin'ny Jer. 32, ohatra, dia nasain'Andriamanitra nividy tany iray i Jeremia ary nasainy nitahiry ny taratasy manamarina ny maha tompon'ny tany azy, "fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro (...): Mbola hisy trano sy saha ary tanimboaloboka hovidina indray eto amin'ity tany ity." - Jer. 32:15.
Fitiavana no nanosika an'Andriamanitra hampanoratra an'i Jeremia hafatra iray izay azo lazaina ho antso farany ho amin'ny fibebahana sy ny fanavaozana. Nefa fanamavoana an'Andriamanitra sy ny Hafany ary ny irany no nasetrin'i Joiakima izany.
Vakio ny Jer. 36:27-31. Ahoana no navalin'Andriamanitra ny fihetsika mitory fihaikana sy fikomiana nataon'i Joiakima?
Indraindray isika dia manana fironana hino fa raha lavintsika na potehintsika ny hafatr'Andriamanitra na ireo irany, dia ho levona miaraka amin'izany koa ny hafatra. Kanefa tsy manafoana ny hafatra tian'Andriamanitra hampitaina amintsika ny tsy fetezantsika hihaino ny tenin'Andriamanitra ambaran'ny mpaminany. Ny fanaovana tsinontsinona izany aza no vao mainka mampitombo ny loza mety hihatra amintsika sy amin'ny fianakaviantsika, noho ny finiavantsika tsy hihaino sy hahalala, na noho ny fikomiantsika. Fampitandremana mafonja ho an'ny olombelona rehetra no hita ao amin'ny faminanian'i Jeremia momba ny fiafaran'i Joiakima mpanjaka (Jer. 36:30,31): mampididoza antsika ny tsy firaihana manoloana ny fampitandremana omen'Andriamanitra, satria tsy maintsy hijinja ny vokatry ny fahotantsika sy ny faharatsiantsika isika.
Inona no ambaran'izany amintsika momba ny toetran'Andriamanitra be fitiavana, ka nanao izay hahatrarana ny vahoakany hatrany Izy na dia teo aza ny fanoheran'izy ireo Azy?