Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: NY OLAN’NY FAHARATSIANA - Ny safidy malalaka.

Daty
Alarobia 12 February 2025

Na dia tsy takatsika aza ny fomba sy ny fisainan'Andriamanitra, ny Soratra Masina dia manambara hevitra sasantsasany izay manampy amin'ny famahana ny olan'ny faharatsiana. Fomba iray azo anazavana izany olana izany ilay antsoina hoe safidy malalaka.

Araka izany, ny faharatsiana dia vokatry ny fampiasana amin'ny fomba ratsy ny safidy malalaka nomena ny voary. Koa tsy tokony homen-tsiny ny amin'ny ratsy Andriamanitra, satria ny ratsy dia vokatry ny fanararaotan'ny zavaboary ny safidy malalaka nomen'Andriamanitra azy, izay azony nampiasaina ho amin'ny tsara. Nahoana anefa Andriamanitra no nanome safidy malalaka toy izany? Izao no nosoratan'i C. S. Lewis momba izany: "ny safidy malalaka, na dia mahatonga ny ratsy ho azo atao aza, dia izy koa no hany mahatonga ny fitiavana na ny hatsarana na ny fifaliana eo amin'ny fiainantsika ho manan-danja. Ny tontolo tsy misaina - ny zavaboary miasa toy ny milina dia tsy mendrika ny hoforonina. Fahasambarana avy amin'ny firaisana Aminy sy ny fifankatiavana amin'ny hafa koa, an-kalalahana sy an-tsitrapo, no fahasambarana kendren'Andriamanitra ho an'ny zavaboariny manana ny maha-izy azy. (...) Tsy maintsy manana safidy malalaka izy ireo mba hahatanteraka izany." - Mere Christianity (New York: MacMillan, 1960), t. 52.

Vakio ny Gen. 2:16,17. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo ny fananan'i Adama sy i Eva fahafaha-misafidy?

Nahoana Andriamanitra no mandidy azy ireo raha tsy nanana safidy malalaka hatrany am-boalohany izy ireo? Nihinana ilay voankazo voarara i Adama sy i Eva, ary nanomboka teo dia feno faharatsiana ny planetantsika. Miseho ao amin'ny Gen. 4, toko manaraka aorian'ny fitantarana ny Fahalavoana, ny vokatry ny fahotana tamin'ny namonoan'ny rahalahiny an'i Abela. Ny fitantarana ny Fahalavoana dia mampiseho fa nahatonga ny fahotana sy ny faharatsiana ho tafiditra ao amin'ny tantaran'ny tanintsika ny nampiasan'i Adama sy i Eva ny safidy malalaka nananany tamin'ny fomba ratsy.

Hitantsika manerana ny Soratra Masina ny maha-zava-misy ny safidy malalaka. (Jereo ny Deo. 7:12,13; Jos. 24:14, 15; Sal. 81:11-14; ary ny Isa. 66:4.) Na isika aza dia mampiasa isan'andro io fahafaha-misafidy nomen'ny Mpamorona antsika io eo amin'ny fiainana, amin'ny lafiny isan-karazany. Raha tsy misy ny safidy malalaka, dia tsy ho olombelona akory isika. Ho toy ny milina isika, na "robot" tsy misy saina.

Namorona alika "robot" ny "Sony Corporation", antsoina hoe "Aibo". Toy ny alika tena izy mihitsy izy io, manaikitra, saingy tsy mety marary, tsy misy parasy, tsy tsy mila atao vakisiny, ary tsy mihitsam-bolo. Hatakalonao an'i Aibo ve ny alikanao manana nofo aman-drà? Raha tsy izany, ahoana no mety hanampian'ny safidinao anao hahatakatra bebe kokoa ny antony namoronan'Andriamanitra antsika tahaka ny nataony, dia olona manana safidy malalaka - na dia eo aza ny loza mety aterak'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal