Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7 : SAMBATRA IZAY MINO - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 15 November 2024

Vakio "Ny Nanaterana an'i Isaka ho Fanatitra", toko faha- 13 ao amin'ny PM ary ny "Tao amin'ny fitsaran'i Pilato" ao amin'ny IFM, toko faha-77.

Niankohoka teo an-tongotr'i Jesôsy i Tômasy ka niantsoantso hoe: "Tompoko sy Andriamanitro!"

"Noraisin'i Jesôsy ny fiaikena nataony, nefa niteny azy mora ny amin'ny tsy finoany Izy: 'Ry Tomasy, satria nahita Ahy hianao, dia nino, sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. Nety ho nahafinaritra an'i Kristy bebe kokoa ny finoan'i Tomasy raha nety nino izy noho ny fanambarana nataon'ny rahalahiny. Raha manaraka ny ohatra nomen'i Tomasy izao tontolo izao ankehitriny, dia tsy hisy hino ho amin'ny famonjena:

Maro no mirona ho amin'ny fisalasalana ka manala tsiny ny tenany amin'ny filazana fa raha nanana ny porofo noraisin'i Tomasy avy amin'ny namany izy, dia hino. Tsy tsapany fa tsy io porofo io ihany no ananany, fa mihoatra lavitra noho izany. Maro no tahaka an'i Tomasy, miandry ny hialan'izay rehetra mampisalasala azy, izay tsy hahatsapa na oviana na oviana izay ilainy. Mihamitombo miandalana ny tsy finoany. Izay mitaiza ny tenany hijery ny lafiratsin'ny zavatra, ka mimenomenona sy mitaraina dia tsy mahalala izay ataony. Mamafy voan'ny tsy finoana izy, ka hanana vokatry ny fisalasalana hojinjana. Amin'ny fotoana izay tena ilana ny finoana sy ny fahatokiana, dia maro no hahita fa tsy manan-kery hanantenana sy hinoana izy." IFM, t. 669, ed. 2023.

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:

1. Inona ny fahasamihafana manan-danja eo amin'ny fanehoan'i Abrahama ny finoany sy ny fanehoan'i Tômasy izany? Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny tantaran'izy ireo?

2. Omeo fotoana hanaovany fijoroana ho vavolombelona momba an'i Jesôsy , tahaka izay hitantsika ataon'ny olona ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, izay maniry hanao izany, ao amin'ny kilasy. Na dia samy hafa aza ny tantara, inona no ambaran'ny olona, ary ahoana ny fijoroana ho vavolombelona ataony mikasika ilay Andriamanitra iray ihany izay tompointsika?

3. Nametraka fanontaniana lalina i Pilato: "Inona no marina?" Valio araka izay lesona nianarantsika tao amin'ny filazantsaran'i Jaona io fanontaniana io.

4. Jereo ireo faminaniana ao amin'ny Dan. 2 sy 7. Raha ireo toko roa ireo ihany no nananan'ireo tamin'ny andron'i Jesôsy, inona kosa ny tombontsoa lehibe ananantsika ankehitriny, mahakasika ny fahitana ny fahatanterahan'ireo faminaniana ireo, izay manome antony iray hafa hinoantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal