Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 15 May 2026

"Raha mihevitra sy miresaka bebe kokoa ny amin'i Jesôsy isika, ary kelikely kokoa ny amin'ny tenantsika, dia hahazo Kristy mifanatrika be lavitra noho izao isika." - DHK, t. 117 (ed. 2018) "Raha mandray torohevitra avy amin'ny fisalasalana sy ny tahotsika isika, na mitady hanazava ny zavatra rehetra izay maizimaizina amintsika vao hino, dia vao mainka hitombo sy hihalalina ny fahasahiranan-tsaina mahazo antsika. Nefa raha manatona an'Andriamanitra isika, ka mahatsiaro ny tenantsika ho tsy manan-kery, sady tsy mahavita tena, dia araka ny tena toetsika tokoa; ary amin'ny finoana mietry tena sady matoky no milaza izay ilaintsika Aminy Izay manam-pahalalana tsy voafetra; ka mahita sy manapaka ny zavatra ary rehetra amin'ny teniny sy ny sitrapony, dia Izy no mahay sady mety mihaino ny fitarainantsika, ka hamela ny mazava hamirapiratra ao am-pontsika." - DHK, t. 111. np. "Amin'ny elatry ny fiderana no hahazoan'ny fanahy hiakatra ho eo akaikikaikin'ny lavitra kokoa. Ankalazaina amin'ny tononkira sy ny mozika ao amin'ny lapany ao ambony Andriamanitra; ary amin'ny ampisehoantsika ny fisaorantsika no anatonantsika kokoa ny fotoam-pivavahana ataon'ireo marobe any an-danitra. (...) Koa dia aoka isika hankeo anoloan'ny Mpamonjintsika amin'ny fifaliana feno fanajana mitondra ny 'fisaorana sy ny feo fiderana'- Isa. 51:3." - DHK, t. 119. 

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra 
1. lnona amin'ireo hevitra voalaza etsy ambony no mahakasika ny fonao indrindra? lnona no hitanao fa sarotra tanterahina indrindra?  
2. lnona koa ireo lesona hafa azontsika ianarana avy amin'ny fiainam-bavaky ny olona ao amin'ny Baiboly? (Jereo ny Ezra 10:1; 2 Mpanj. 13:4; Jona 4:2,3; Hab. 3:1,2; 2 Mpanj. 19:14-19; Jer. 32:16-25; Neh. 1:4-11; 1 Mpanj. 8:22-54, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo isika). 
3. lnona no anjara asan'ny fifadian-kanina miaraka amin'ny vavaka?
4. Misy zava-baovao tianao hovana na hampidirina ao amin`ny fiainam-bavakao ve, taorian'ny lesona nandritra ity herinandro ity? Nahoana moa raha tanterahina izany fanovana izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal