Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.

Daty
Alatsinainy 11 May 2026

Angamba ianao efa nivavaka momba ny zavatra iray nandritra ny fotoana maharitra, mety aman-taona, ary toy ny hoe tsy ren'Andriamanitra ireny vavaka ireny. Hoy ny Baiboly amintsika: "Mangataha, dia homena hianareo" - Mat. 7:7, "raha mangataka zavatra araka ny sitrapony" - 1 Jao. 5:14. Manao ahoana ny fahatakaranao ireo teny fikasana ireo?

Ohatra maneho ny vehivavy iray tia vavaka izay nanao fangatahana manokana i Hana (1 Sam. 1:10-17). Tamin'ny voalohany dia toy ny hoe tsy namaly ny fivavahany Andriamanitra, saingy naharitra izy, ka novalian'Andriamanitra tokoa, tamin'ny fotoana voatendriny ary araka ny Sitrapony. Indraindray ny fiandrasana dia manamafy orina ny fiarahantsika mandeha amin'Andriamanitra, satria amin'izany no ianarantsika matoky Azy bebe kokoa.

Hoy ny Sal. 62:8: "Matokia Azy mandrakariva ianareo. ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika." Matokia. Moa ve isika matoky fa tena fantany tokoa izay mahasoa indrindra, eny fa na dia tsy mahita valim-bavaka eo no ho eo aza isika? Moa ve isika matoky fa hamaly Izy amin'ny farany, araka ny fotoana mety sy ny fomba tsara indrindra?

Tsy azontsika haingana araka izay aniriantsika azy na araka izay fomba irintsika isehoany indraindray ny valfm-bavaka. lnona no torohevitra omen'ny Baiboly antsika mahakasika izany?

• Ny sitrapon'Andriamanitra no katsaho fa tsy ny anao (Mat. 6:10; 1 Jao. 5:14,15)   
• Diniho ny antony manosika anao hivavaka (Ohab. 16:2; Jak. 4:3)   
• Eritrereto raha toa misy fahotana ankamamianao (Sal. 66:18; 1 Pet. 3:12; Ohab. 15:29) • Mitoera ao amin'Andriamanitra sy ao amin'ny Teniny (Jao. 15:7)   
• Minoa rehefa mivavaka (Heb. 11:6; Jak. 1:6; Mar. 11:24; Mat. 21:22)     
• Diniho ny fonao (mietry sa miavonavona) (Jak. 4:6; 1 Pet. 5:6)    
• Mahareta (1 Tes. 5:17,18)    
• Avelao ny heloky ny hafa (Mar. 11:25,26)    
• Farany, Andriamanitra dia mahita ny toe-javatra amin'ny lafiny rehetra ary mahalala izay mahasoa antsika indrindra (Rom. 8:28; Efes. 3:20; Jer. 29:11-13). Indraindray ny valin-teniny dia toy izay nomeny an'i Paoly hoe: "Ampy ho anao ny fahasoavako" - 2 Kôr. 12:9.

Zava-dehibe iray mamaritra ny valin-tenintsika eo anatrehan'ny vavaka toa tsy ahazoam-baliny ny fomba fijerintsika an'Andriamanitra. Raha toa isika mihevitra Azy ho lavitra sy tsy miraika, dia ho osa ny fifandraisantsika Aminy. Amin'ny fotoana toy izany, tadiavo ao amin'ny Baiboly ny porofon'ny fitiavany sy ny fiahiany anao, ary mivavaha mba hihamazava kokoa ny sary diso momba Azy ao an-tsaintsika. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal