Vakio ny Efes. 1:22 sy ny Kôl. 2:10. Inona no hevitry ny "loha" ao amin'ireo toko sy andininy ireo? Inona no tian'i Paoly hambara amin'ny fiantsoany an'i Jesosy hoe "Lohan'ny fiangonana" (Efes. 5:23)?
Mandeha ho azy ny fampiasana ny loha ho sary an'ohatra maneho ny fitarihana; hita taratra eo amin'ny tenim-pirenena tsy tambo isaina maneran-tany izany. Hitantsika manerana ny Testamenta Taloha sy Vaovao koa ny fampiasana izany. Mariho ny fampiasana ny "loha" ao anatin'ireto toko sy andininy manaraka ireto:
1. "Dia nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo." - Eks. 18:25
2. "(...) lohan'ny fianakaviana" - Nom. 31:26
3. Hataon'i Jehôvah "ho lohany (...), fa tsy ho rambony" Isiraely raha toa mankato Azy (Deo. 28:13).
4. "Fa ny lohan'i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan'i Damaskosy dia Rezina." Isa. 7:8
5. "(...) ny taranak'i Joda sy ny taranak'lsiraely (...) hifidy anankiray ho lohany." - Hôs. 2:2
6. "Mba henoy izao, ry lohandohany eo amin'ny taranak'i Jakoba." - Mika 3:9, DIEM
7. "Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra." - 1 Kôr. 11:3
Araka izany, amin'ny maha Lohan'ny fiangonana Azy, dia mitarika sy manoro ary mamelona Izy mba hisian'ny firaisana sy ny fitomboana ao amin'ny fiangonana (jereo ny Köl. 2:19).
Vakio ny 1 Kôr. 12:12-27. Tahaka ny "tena" iray no anoritsoritan'i Paoly ny fiangonana eto. Inona ireo lafiny hafa eo amin'ny fiangonana izay asehon'izany sary an'ohatra izany?
Tahaka ny tena izay tsy velona raha tsy misy loha, rehefa tsy eo na maratra ny momba ny tena, dia ho sarotra kokoa ny miaina. Matetika isika no tsy mahatsapa ny tena lanjan'ny zavatra iray raha tsy efa tsy eo amintsika intsony izany.
Raha toa ianao tsy maintsy mamoy rantsam-batana iray na maso iray, inona no fidinao hafoy amin'ireo? Inona no asehon'izany momba ny tombambidy lehibe ananan'ny tsirairay amin'ny maha mambran'ny fiangonana azy?