Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 22 August 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio "Ny namakiana ny lalàna tao Sinay" ao amin'ny PM (ed. 2014), tt. 287-296 sy ny toko faha-29 "I Satana sy ny Lalàn'Andriamanitra."

"Nokendren Andriamanitra ny hahatonga ny fanononany ny Lalana ho toe-javatra lehibe sy mahatahotra; nampisy lanja ny toetra be voninahitry ny lalana izany. Nataony izay hahatsapan'ny olona izany ka izay rehetra mifandraika amin'ny fanompoana Azy dia tsy maintsy hatao amin'ny fanajana lehibe indrindra." - PP, 1. 303.

Mbola manan-kery mandraka ankehitriny izany foto-kevitra momba ny fanajana fatratra izany. Avy amin'ny fahatakarana ny fahalehibeazan'Andriananitra sy ny fahamboniany ary ny fiandrianany izany. Miteraka fankasitrahana ao am-pontsika ny fahitana ny voninahitr Andriamanitra ary mampietry ny avonavontsika. Arakaraka ny ahitantsika akaiky kokoa ny fahamasinan'Andriamanitra no hahatsapantsika ireo kilema sy tsy fahatanterahana eo amin'ny fiainantsika, izay mitarika antsika hangetaheta bebe kokoa ny Fanatrehany manova ary koa haniry ny ho tahaka Azy bebe kokoa.

Ary ny fahafantarantsika fa mifanohitra amin'ny Toetrany sy ny lalåny masina isika dia mahatonga antsika hiantehitra tanteraka amin'ny fahafatesan'i Kristy izay nisolo voina antsika.

Ambaran'i Jesosy mazava koa fa raha mandray an'i Jehôvah amim-panetren-tena ho Tompo sy Mpanjakantsika isika, dia tsy sarotra ny mankato ny didiny (Mat. 11:28-30). Nasehon'i Kristy mazava fa manan-kery mandrakizay ny didin'Andriamanitra (Mat. 5:17-20). Afaka miaina amin'ny fahafenoana ny fanandraman'ny fifandraisana mahavonjy amin'Andriamanitra isika rehefa mitandrina ny Lalany amin'ny fitiavana sy ny fankasitrahana noho ny famonjena izay nomeny antsika maimaimpoana. Azontsika atao ny mifaly amin'ireo tombontsoa lehiben'ny fitandremana ny lalana (jereo rahateo ny fahoriana sy ny zava-tsarotra ateraky ny fandikana izany) ary koa mifaly amin'ny toky azontsika noho ny fahalalana fa ao amin'i Jesosy ny famonjena antsika fa tsy ao amin'ny fitandremantsika ny lalana.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nanampy ny olona hahatakatra ny hevitry ny fanajana fatratra (izay nilainy) ny fiomanana ho amin'ny fandraisana ny lalana. Ankehitriny, ao amin'ny fiangonantsika sy eo amin'ny fiainan'ny fiangonana, misy ve ny fahatsapana fanajana fatratra sy fahatahorana an'Andriamanitra tahaka izany? Sa efa verintsika tsikelikely izany ka tsy hita intsony?

2. Saino bebe kokoa izao fanambarana raketin'ny fanekena izao: "Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko." Inona no hevitr'izany ho antsika amin'izao andro izao, ary ahoana no tokony hanehoana izany, eo amin'ny flainan'ny tsirairay sy amin'ny maha-fiangonana antsika?

3. Omen'Andriamanitra hery isika hahatanterahana izay asainy ataontsika. Ambaran'i Ellen G. White fa "ny baikony rehetra dia samy teny fikasana avokoa." -HF, t. 341. Ahoana no hampiharantsika izany fampanantenana (dabar) izany?

4. Inona no tokony havalintsika ny tohan-kevitra fandre izay milaza fa efa foana ny lalàna taorian'ny hazo fijaliana? Inona ankapobeny no tena lazain'izy ireo fa efa nofoanana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal