Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.

Daty
Alahady 17 May 2026

Angamba efa nandre olona nilaza toy izao ianao: oRaha afaka nahita ny Ranomasina Mena nisokatra aho, na ny mana nilatsaka, na i Jesôsy nampahiratra ny jamba, dia ho nino.» Na angamba ianao mihitsy no mieritreritra toy izany.

Nahoana tokoa moa no tokony ho mora kokoa amintsika ny hanam-pinoana noho ireo olona fahiny tamin'ny andron'ny Baiboly? Tsy nanana ny Baiboly manontolo ny Isiraelita, ary tsy nanana tantara fahiny voarakitra an-tsoratra azony nanaovana jery todika handraisany lesona tahaka antsika. Nohamafisin'i Mosesy ny maha zava-dehibe ny manao jery todika mba tsy hanadinoana ny fitantanan'Andriamanitra sy ny fahatsarany (jereo ny Deo. 4:7-10; Deo. 8:2,3). Tsy tahaka ny Isiraelita isika; tantara nandritra ny 6000 taona no ananantsika ao amin'ny Baiboly, izay azontsika anovozana lesona.

Samy nitady famantarana ny taranaka nifandimby, ary tsy hafa amin'izany izao taranaka misy antsika izao. Eny amin'ny manodidina antsika rehetra eny anefa ny famantarana. Raha mamaky ny Mat. 24 ianao dia ho hitanao fa maro ireo famantarana efa tanteraka, sy eo an-dalam-pahatanterahana ankehitriny.

Na ireo olona tamin'ny andron'i Jesôsy aza dia nangataka famantarana maneho ny maha Zanak'Andriamanitra tokoa an'i Jesôsy, na efa maro be aza ny famantarana efa nomena azy ireo. Inona no navalin'i Jesôsy izany? (Jereo ny Mar. 8:11,12).

Miady hevitra amin'i Jesôsy ve isika ka maka fanahy Azy tahaka ny Fariseo? Ataontsika «misento mafy am-panahy» mihitsy ve izy noho ny tsy fananantsika finoana kanefa efa nomeny antsika avokoa izay rehetra ilaintsika mba hinoantsika?

«Tsy ireny famantarana ireny anefa no nilain'ny Jiosy. Tsy mety hitondra soa ho azy ny porofo ivelany fotsiny. Tsy fanazavana ara-tsaina no nilainy, fa fanavaozana ara-panahy.» - IFM, t. 433. Mety mila fanavaozana ara-panahy koa ye isika - fiaraha-mandeha marina amin'Andriamanitra, isaky ny indray mandingana? Tsy famantarana angamba no tena ilaintsika satria efa rnanam-pahalalana betsaka isika, indrindra avy ao amin'ny Baibolintsika.

Koa aoka isika tsy hampisento mafy an'i Jesosy noho ny tsy fananantsika finoana, fa hahatsiaro ny teny nolazain'i Jesosy an'i Tomasy kosa: <Sambatra (...) izay tsy nahita, nefa nino» - Jao. 20:29 (jereo koa ny Heb. 11:1). Tsy mitaky ny hananantsika finoana Jamba i Jesosy - eta nomeny antony maro hinoana isika. Na eo aza anefa izany antony rehetra izany dia mbola misy ihany ny fisalasalana. Ny vahaolana dia ny mifantoka amin'izay manamafy ny finoana fa tsy amin'izay mitondra fisalasalana.

Tao anatin'ny 60 segondra farany, ahoana no hanoritsoritanao ny finoanao an'Andriamanitra? Inona no ambaran'ny valin-teninao mamba ny fiainam-panahinao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal