Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.

Daty
Talata 18 August 2026

Raha toa i Jesôsy Kristy tsy nitsangana, dia ho zava-poana ny fanantenana rehetra momba ny hoavy (1 Kor. 15:12-19). "Fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatrizay efa nodi-mandry."- 1 Kor. 15:20. Zava-nitranga teo amin'ny tantara ny Fitsanganany tamin'ny maty. Noho izany, dia mahazo antoka isika fa izay rehetra maty ao amin'i Kristy dia hatsangana amin'ny maty rehefa ho avy Izy (1 Kor. 15:20-23).

Vakio ny 1 Kor. 15:20-23. Inona ny hevitry ny hoe i Jesôsy no "santatra"?

Hanamarika ny fiafaran'izao vanim-potoan'ny faharatsiana iainantsika izao ny fitsanganan'ny tenan'ireo izay maty ao amin'i Kristy (1 Kor. 15:24; Apôk. 20:5, 6). Amin'ny maha- Adama faharoa Azy dia hanolotra indray ny fanjakana amin-dRainy i Kristy ka hamerina izao tontolo izao ho eo ambany Fanapahany (1 Kor. 15:25-28). Ny faneken'i Kristy hilefitra amin'Andriamanitra (1 Kor. 15:28) dia tokony horaisina ho ny fanehoana ny fifandraisan'i Adama sy i Kristy. Amin'ny maha-Adama faharoa an'i Jesôsy ao amin'ny drafi-panavotana (1 Kor. 15:45), dia milefitra tanteraka amin'ny sitrapon'ny Rainy Izy, raha toa ka tsy nahatanteraka izany kosa ilay Adama voalohany.

Ao amin'ny 1 Kor. 15:29-34 dia averin'i Paoly indray ny filazana fa fahadalana ny fandavana ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty. Ampiasainy amin'izany ny sary an'ohatry ny batisa satria io no tandindon'ny firaisan'ny mpino amin'i Kristy ao amin'ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany amin'ny maty (Rôm. 6:3, 4; Kôl. 2:12). Noho izany, dia tsy misy heviny ny fandavana ny maha zava-misy ny fitsanganana amin'ny maty. Na izany aza, dia saro-takarina ny tian'i Paoly hambara amin'ny hoe: "atao batisa ny amin'ny maty."- 1 Kor. 15:29.

"Nisy fanazavana samihafa natolotra momba izany, saingy tsara kokoa ny mandray ny hevitr'io fiteny io ho manondro ny fanapahan-kevitry ny olona sasany ny hatao batisa mba hahafahany mihaona indray amin'ireo havany nodimandry amin'ny fitsanganan'ny maty. Azo heverina ihany koa fa ny fanapahan-keviny hatao batisa dia setrin'ny ohatra tsara nasehon'ireo izay efa nodimandry tao amin'i Kristy. Araka izany, ny batisan'ireo olona ireo dia tsy fisoloany tena ny maty fa noho ny amin'ny maty."- Carl P. Cosaert, "1 Corinthians," Andrews Bible Commentary: New Testament (Berrien Springs, MI: Andrews University Press, 2022), t. 1652.

Faharoa, tsy misy heviny ny fanaovana vy very ny aina raha toa ka tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty (1 Kor. 15:30-32). Raha izany mantsy dia tsaratsara kokoa ny mifaly amin'ny fahafinaretana eto amin'izao tontolo izao (1 Kor. 15:32).

Saintsaino ny tenin'i Paoly ao amin'ny 2 Tim. 1:12. Ahoana no ahazoany antoka momba ny hoavy tahaka izany? Ahoana no hahafahantsika mahazo antoka momba ny hoavy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal