Raha toa i Jesôsy Kristy tsy nitsangana, dia ho zava-poana ny fanantenana rehetra momba ny hoavy (1 Kor. 15:12-19). "Fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatrizay efa nodi-mandry."- 1 Kor. 15:20. Zava-nitranga teo amin'ny tantara ny Fitsanganany tamin'ny maty. Noho izany, dia mahazo antoka isika fa izay rehetra maty ao amin'i Kristy dia hatsangana amin'ny maty rehefa ho avy Izy (1 Kor. 15:20-23).
Vakio ny 1 Kor. 15:20-23. Inona ny hevitry ny hoe i Jesôsy no "santatra"?
Hanamarika ny fiafaran'izao vanim-potoan'ny faharatsiana iainantsika izao ny fitsanganan'ny tenan'ireo izay maty ao amin'i Kristy (1 Kor. 15:24; Apôk. 20:5, 6). Amin'ny maha- Adama faharoa Azy dia hanolotra indray ny fanjakana amin-dRainy i Kristy ka hamerina izao tontolo izao ho eo ambany Fanapahany (1 Kor. 15:25-28). Ny faneken'i Kristy hilefitra amin'Andriamanitra (1 Kor. 15:28) dia tokony horaisina ho ny fanehoana ny fifandraisan'i Adama sy i Kristy. Amin'ny maha-Adama faharoa an'i Jesôsy ao amin'ny drafi-panavotana (1 Kor. 15:45), dia milefitra tanteraka amin'ny sitrapon'ny Rainy Izy, raha toa ka tsy nahatanteraka izany kosa ilay Adama voalohany.
Ao amin'ny 1 Kor. 15:29-34 dia averin'i Paoly indray ny filazana fa fahadalana ny fandavana ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty. Ampiasainy amin'izany ny sary an'ohatry ny batisa satria io no tandindon'ny firaisan'ny mpino amin'i Kristy ao amin'ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany amin'ny maty (Rôm. 6:3, 4; Kôl. 2:12). Noho izany, dia tsy misy heviny ny fandavana ny maha zava-misy ny fitsanganana amin'ny maty. Na izany aza, dia saro-takarina ny tian'i Paoly hambara amin'ny hoe: "atao batisa ny amin'ny maty."- 1 Kor. 15:29.
"Nisy fanazavana samihafa natolotra momba izany, saingy tsara kokoa ny mandray ny hevitr'io fiteny io ho manondro ny fanapahan-kevitry ny olona sasany ny hatao batisa mba hahafahany mihaona indray amin'ireo havany nodimandry amin'ny fitsanganan'ny maty. Azo heverina ihany koa fa ny fanapahan-keviny hatao batisa dia setrin'ny ohatra tsara nasehon'ireo izay efa nodimandry tao amin'i Kristy. Araka izany, ny batisan'ireo olona ireo dia tsy fisoloany tena ny maty fa noho ny amin'ny maty."- Carl P. Cosaert, "1 Corinthians," Andrews Bible Commentary: New Testament (Berrien Springs, MI: Andrews University Press, 2022), t. 1652.
Faharoa, tsy misy heviny ny fanaovana vy very ny aina raha toa ka tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty (1 Kor. 15:30-32). Raha izany mantsy dia tsaratsara kokoa ny mifaly amin'ny fahafinaretana eto amin'izao tontolo izao (1 Kor. 15:32).
Saintsaino ny tenin'i Paoly ao amin'ny 2 Tim. 1:12. Ahoana no ahazoany antoka momba ny hoavy tahaka izany? Ahoana no hahafahantsika mahazo antoka momba ny hoavy?